Taorian’ny andro faha-7 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra any Boeny sokajy D-1 notontosaina tamin’ny sabotsy 16 sy alahady 17 febroary lasa teo tao amin’ny kianja
Rabemananjara Mahajanga dia mitarika an’isa vonjimaika manana isa 21 ny Fosa Junior Boeny arahin’ny Tsaramandroso Fc isa 18 ary ny Reste du Monde isa 13. Ireo vokatra azo : Enac-Usam vs Ascum (1-5) ; Racing Manga vs Tsaramandroso Fc (1-2) ; Sporting Tarovy vs Reste du Monde (1-4) ; Fc Kintan’ny Boeny vs Boeny Formation (0-0) ; Fosa Jr Elite vs Fc Zam Marovoay (5-0). Any amin’ny laharana faha-4 no misy ny Ascum isa 11 ary faha-5 mitovy ny Racing Sb sy Boeny Formation samy manana isa 10 avy. Andro 2 sisa no hatrehan’ny Fosa Jr Elite dia ny andro faha-9 hotontosaina ny 23 febroary 2019 izao hifanandrinany amin’ny Fc Kb sy ny lalao andro faha-4 nahemotra aorian’io andro faha-9 io hifanandrinany amin’ny Boeny Formation.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.