Politique

Banky foibe Mandeha ny ramatahora


  • Talata 21 Febroary 2012

Mbola mihenjan-droa ny tady eo amin’ny governora Rasamoely Frédéric miaraka amin’ireo mpiasan’ny Banky Foibe mitokona andaniny sy ny Tale jeneraly Ratovondrahona, izay voatendrin’ny ministeran’ny fitantanam-bola hisahana vonjimaika ny andraikitry ny governor, ankilany.

 Toy ny tamin’ny zoma lasa teo dia nitokona tsy niasa ireo mpiasa miaro ny satan’ny Banky Foibe amin’ny fanesorana na fanoloana governora. Tsy tanteraka ihany koa ny famindram-pahefana teo amin’ity farany sy ilay tale jeneraly satria tsy manaiky hiroso amin’izany mihitsy Rasamoely Frédéric. “Mazava ny heviny fa tsy hanao izay mihitsy izy raha tsy voahaja ny lalàna”, hoy Rakotondrazafy Aina, solontenan’ny mpiasa izay nifampitafa an-tariby tamin’ny governora. Ny fanazavana nomen-dRakotondrazafy Aina ihany koa no nahafantarana fa maro ireo tsindry sy fandrahonana ny governora ataon’ny mpitondra sy ny foloalindahy mba hanaovany io famindram-pahefana io. Noho ny tahony ny ainy dia tsy sahy niakatra birao intsony ny tenany omaly.

Ireo mpiasa mitokona koa anefa etsy andaniny milaza tsy hanaiky lembenana mihitsy na dia misy aza ny fandrahonana fandroahana nataon’ny tale jeneraly ho an’ireo tsy mbola nandray ny asany manomboka anio. Nivoitra izany nandritra ny fivoriana niarahan’ny solontenany tamin-dRatovondrahona ny antoandro. “Na dia hisy aza ny fanerena mpiasa na réquisition dia tsy hanaiky ireo mpiasa ireo raha mbola hitsakitsahana ny lalàna” hoy Rakotondrazafy Aina. Ho fantatra anio ny tohiny.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT