Politique

BANI sy RFI Ivato Nandefasana miaramila mpitsikilo


  • Talata 17 Janoary 2012

Miaramila maromaro no fantatra fa nafindra toerana eny anivon'ny toby miaramila BANI sy RFI eny Ivato.

 Tsy faly vokatr'izany ireo miaramila ao amin'ireo toby ireo satria raha ny fahitan'izy ireo ity famindrana ity dia miaramila natao hitsikilo izy ireo fa tsy tena nafindra tanteraka mihitsy. Ny mahatezitra ireto miaramila indray dia ny fihetsiky ny lehiben'izy ireo any amin'ny faratampony ho toy ny tsy matoky azy ireo. «Raha nisy ny hetsiky ny manamboninahitra tsy mba anisan'ireo nanampy azy ireny izahay kanefa dia tato aminay ireo manamboninahitra ireo ary olona fantatray tsara satria efa lehibenay teo aloha avokoa. Raha te-hihetsika izahay tamin'ireny fotoana ireny no nihetsika», hoy ireo miaramila eny amin'ny BANI sy RFI. Hafahafa ny firaisa-monina eny amin'ireo toby ireo omaly. Ho hita eo ny tohiny fa ny miaramila moa miandry ny hetsika tampoka tsy ampoizin'ny rehetra. «Tsy fanaonay miaramila ny be resaka. Rehefa mipoaka ny baomba dia samia mizaka ny vokany daholo», hoy izy ireo te-hilaza ankolaka fa misy zavatra tsy mandeha eo anivon'ny Tafika ka ahiana hipoaka.

Solo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT