Politique

Ban Ki Moon –SG-n’ny ONU Nangatsiaka ny fandraisana azy


  • Alarobia 11 Mey 2016

Tena tsy nasian’ny Malagasy lanjany firy mihitsy ny fahatongavan’Atoa Ban Ki Moon eto Madagasikara.

 

 Ireo mpitondra fanjakana sy ny mpanao gazety ihany no teny Ivato. Katroka tsara ny tamin’ny telo ora no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina ny fiaramanidina fotsy mangatsakatsaka an’ny Firenena Mikambana nitondra an’Atoa Ban Ki Moon sy ramatoa vadiny ary ireo mpiara-dia aminy. Lehilahy matoy sy hita ho tony no nidina ny fiaramanidina miaraka amin’ny akanjo mianjaika mainty. Taorian’ny firedonana ny hiram-pirenena dia niato kely teo amin’ny tarika Bakomanga izay naneho ny kanto malagasy teny am-pahatongavana. Rehefa izany dia nihazo ny trano fandraisam-bahinin’ny seranam-piaramanidin’i Bani ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana sy ny filoham-pirenena Malagasy mivady izay tonga nitsena ny vahiny teny am-pahatogavana. Tonga teny an-toerana ihany koa ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta rehetra. Ireo lehiben’andrimpanjakana isanisany toy ny Antenimierandoholona sy ny Antenimieram-pirenena. Taorian’ny pika sary samihafa dia nihazo ny hotely namantanany ny Carlton Anosy ny vahiny. Izany rehetra izany dia tao anatin’ny fitandroana ny fandriampahalemana hentitra dia hentitra tokoa.

 

Hentitra ny fitandroana ny filaminana

Tsy nitsahatra nisidina nanodidina ny seranam-piaramanidina ny angidimbin’ny tafika malagasy mitondra ireo mpitifitra mahay mitsinjo avy eny ambony. Manginy fotsiny ireo mpitandro ny filaminana tetsy ambany niaro ireo manampahefana. Omaly hariva ihany dia nisy ny fiaraha-misakafo nokarakarain’ny Fiadidian’ny Repobilika ho fanomezam-boninahitra ity vahiny manan-kaja ity, nandritra izany no nanolorana azy ny mariboninahitra Chevalier de l’ordre national . Ho an’ny anio kosa dia hitsidika ny Antenimierandoholona Atoa Ban Ki Moon alohan’ny hamonjeny ny lapan’Iavoloha indray hihaonany amin’ny filoham-pirenena sy hitafany amin’ny mpanao gazety. Ny tolak’andro kosa izy dia hitsidika eny Andohatapenaka. Mandritra izany rehetra izany ny vadin’ny filoham-pirenena dia hitarika ny vadin’Atoa Ban Ki Moon hitsidika ny trano fiterahana ao Befelatanana sy ny toeram-piofanana ho an’ny vehivavy eny Tsimbazaza. Ankoatra ireo olom-panjakana sy ny mpanao gazety tonga teny Ivato dia tsy nahitana olona nitsena mihitsy nandravaka ny lalàna na ny mpomba ny Hvm avy amin’ny fitondrana izany na ireo mpanohitra izay noheverina ho nanararaotra ity fotoana ity hanehoana hevitra amin’ny alalan’ny sorabaventy. Nangatsiaka be ny fandraisana an’ingahy SG an’ny ONU  toy ny toetr’andro omaly ihany.

 


Andry Ratovo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT