Politique

Ban Ki-Moon Miantso ny mpanao politika hifanaraka handrafetana governemanta


  • Zoma 23 Septambra 2011


 Nankasitraka ny fahavitan’ny sonian’ny sori-dalana, nataon’ireo ankolafy politika ny 17 septambra teo ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon ary manainga ny rehetra hiroso amin’ny fampiharana azy iny, izay ambarany fa manokatra ny lalana mankany amin’ny fifidianana milamina sy azo antoka. Eo anatrehan’izany dia miantso ireo mpanao politika rehetra i Ban Ki-moon hifanaraka mba hahafahana mandrafitra haingana ny governemantan’ny tetezamita. Manainga ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara koa ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, mba hanohana ny fahatanterahan’izany.

Rehefa izay dia nankasitraka ny ezaka nataon’ny SADC ny tenany, tamin’ny fanelanelanana handaminana ny krizy eto, ary nanamafy fahavononan’ny Firenena Mikambana hanohana ny Malagasy mba hamerenana indray ny fandriampahalemana.

 

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT