Politique

Ban Ki-moon Ho avy eto Madagasikara


  • Alakamisy 10 Martsa 2016

Hanamarika ity 2016 ny hampiantranoan’i Madagasikara fihaonana an-tampony roa sosona, dia ny an’ny vondrom-pifanakalozana ara-barotra COMESA sy ny Frankôfônia (OIF).

 

 Samy amin’ny telo volana farany amin’ny taona avokoa no hanatanterahana ny fihaonana eto. Olomanan-kaja sy filoham-pirenena maro no andrasana eto amin’izany. Raha ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, omaly, dia anisan’ny ho avy eto amin’io fihaonamben’ny Frankôfônia io ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana , Ban Ki-moon. Ho avy koa ny mpanjaka maraokanina, ny praiminisitra kanadianina ary ireo filoham-panjakana mpikambana eo anivon’ny OIF. Fa amin’ny 22 martsa izao dia efa ho avy hialoha lalana ny Sekretera jeneralin’ny OIF, Michaelle Jean, hanao tombana ny fizotry ny fanomanana izany fihaonana an-tampony izany.

Taorian’ny lanonana nanaovam-beloma ny ambasadaoro japoney, Ryuhei Hosoya izay handao tanteraka an’i Madagasikara no nampahafantaran’ny minisitra Atallah Béatrice an’ireo.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT