Maro amin’ny mpandinika ny raharaha politika iraisam-pirenena no resy lahatra fa tonga handresy lahatra ny fanjakana malagasy hamela ho an’i Frantsa ny “îles éparses” no foto-dian’i Ban Ki-moon aty Madagasikara.
Raha vao miresaka Ban Ki-moon, Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana dia ny raharaha mahakasika ireo nosy kely manodidina na “îles éparses” izay tanin’ny Malagasy dongian’ny Frantsay no tonga avy hatrany ao an-tsaina. Tamin’ny fivorian’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 1972 no efa nanaovan’ity fikambanana iraisam-pirenena ity fanambarana fa an’i Madagasikara ny “îles éparses” saingy noho ny kolikoly avo lenta dia nanjary tompony mangataka ny atiny indray isika ankehitriny ka ny Frantsay izay toy ny gisa lahy mangala-ketsa indray no avo vava milaza fa tompony, tsy tahotra tsy henatra. Voalahatra ho isan’ny lahadinika isaky ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana io resaka “iles éparses” taorian’izay, saingy voadingana hatrany. Inona no hambaran’i Ban Ki-moon amin’izao diany eto izao ?
Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana faharoa mitsidika an’i Madagasikara i Ban Ki-moon taorian’i Kofi Annan tamin’ny taona 2006. Ny talata 10 sy ny alarobia 11 mey izao izy no ho tonga eto Madagasikara, rehefa avy nitsidika an’i Seysela sy Maorisy omaly, ary Mozambika no hamaranany ny diany aty Afrika izao. Mandrangaranga ny fandresen’ny diplaomasia Malagasy ny fitondram-panjakana satria valin’ny fanasana nataon’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery mantsy io fahatongavan’ny lehiben’ny Firenena Mikambana eto amintsika io, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Atallah Béatrice. Hijery ireo ezaka mikasika ny fitoniana politika miaraka amin’ireo dingana fametrahana ireo andrimpanjakana eto amin’ny firenentsika 2 taona sy tapany taorian’ny fifidianana fivoahana amin’ny krizy novatsian’ny Firenena Mikambana vola tamin’ny alalan’ny «PACEM», araka ny fanazavany. Ankoatra izay dia tsy fantatra mazava ny tena anton-diany eto Madagasikara. Tombantombana avokoa no betsaka na hisintona ny sofin’ny mpitondra malagasy noho ny fahaizany nametraka an’i Madagasikara any amin’ny laharan’ny rambony amin’ireo firenena mahantra indrindra erantany na tonga hitoraka voninkazo noho izany ihany koa. Ankoatra ny fahantrana mihoapampana mantsy dia tsy dia hita loatra izay tena zava-misongadina vitan’ity fitondrana ity hatramin’izay nahatongavany teo.
Filaharambe eny Ivato
Fa ny tena mety ho anton’izao diany eto Madagasikara izao dia heverin’ny mpanao politika maro fa tonga handresy lahatra ny mpitondra malagasy ity Sekretera jeneraly ity mba tsy hametraka ho anisan’ny lahadinika amin’ny fivorian’ny Firenena Mikambana amin’ny volana septambra 2016 izao ny raharaha “îles éparses” ity. Izany hoe ho tonga eto io tompon’andraikitra io hiaro ny tombontsoan’ny Frantsay. Iza no mahalala raha izany tokoa no marina, izy rahateo efa hamarana ny taom-piasany ka tsy maintsy mitsinjo ny hoaviny. Ny mpitondra malagasy mantsy dia manana zo hitondra io resaka “îles éparses” eo anivon’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana raha mametraka fangatahana mialoha isika. Raha ny hita anefa dia tena malaina ny hiresaka ity raharaha ity ny filoham-pirenena malagasy sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny ary izay no tena mety hampitombina ilay ahiahy. Raha tonga eo anivon’ny Firenena Mikambana mantsy io resaka “îles éparses” io ka ho fantatr’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao amin’ny antsipirihany indray ny tena marina fa an’ny Malagasy tokoa io fa tsy araka ny vaovao tsy marina izay ezahina aelin’ny mpanao gazety mpomba ny fitondrana frantsay dia tsy maintsy hisy fiovan-javatra. Na ny vahoaka frantsay aza mety ho tezitra amin’ny mpitondra azy ihany koa. Tsy dia ratsy daholo tsy akory ny Frantsay.
Ho an’ny vahoaka eto Madagasikara indray dia hetsika lehibe izay hoentina haneho amin’ity sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ity ny tsy fankasitrahana ny mpitondra sy ny tsy fahaizany indray koa no efa misy mikononkonona any ho any ary mitaona ny olona ho tonga maro eny Ivato mba haneho izany hevitra izany amin’ny alalan’ny sorabaventy sy eny amin’ny lalana rehetra izay mety handalovan’ity olona ambony ity.
Andry Ratovo sy Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.