Politique

Balan'ny RFI very Miaramila roa no efa nohenoina


  • Alarobia 07 Desambra 2011

Noraisin'ny zandarin'i Mandrosoa Ivato avy hatrany ny fanadihadiana ilay fahaverezana bala tao amin'ny tobin'ny RFI Ivato.

Miaramila roa izay niandraikitra ny toby tamin'ny andro izay eritreretina fa nisian'ny halatra no nalaina am-bava voalohany. Omaly dia mbola nitohy ny fanadihadiana teny amin'ny biraon'ny zandary. Ny “gardien chef” sy ny miaramila teo ambany fiahiany no nandehanan'ny fanadihadiana. Raha tsiahivina dia bala miisa arivo no indray nanjavona tao amin'io magazain'ny fitaovam-piadiana io. Io no lehibe indrindra satria ao avokoa ny fitaovan'ny toby hafa no mipetraka. Maninona ary no bala no very ? Mety azo eritreretina fa efa nisy basy nivoaka ihany koa izao talohan'ity halatra bala ity. Ary raha izay no izy dia tsy fantatra intsony koa izay mety ho fitaovam-piadiana efa nanjavona tao amin'io toerana io. Anjaran'ny mpanao fanadihadiana ny mijery izany lafiny rehetra izany.

G.T

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT