Tapaka nanomboka omaly tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina ny herinaratra mamatsy ny foiben’ny Radio Vanille ao Sambava
. Tapaka tampoka ny fandaharan’ny radio tsy miankina anisan’ny be mpanaraka ao an-toerana ity. Raha nanontany ny teo anivon’ny Jirama ny mpitantana ny radio Radio Vanille dia mazava ny valinteny azon’izy ireo, fa gropin’ny Senatera no mamatsy herinaratra ny tanàna ka “miresaha aminy”.
Talohan’izao dia efa namaky ady tamin’ireo mpanao gazety tsy miankina ao Sambava ny Senatera HVM Befitoto Angelin, fa tsy faly tamin’ny nielezan’ny vaovao tamin’ny nizarany vola ampahibemaso nambarany fa “cadeau” ho an’ireo Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina tamin’ireo Kaominina nifidy HVM 100% tamin’ny fifidianana Loholona natao tamin’ny 29 desambra 2015.
Raisin’ny mponin’i Sambava ho tetika hanapenam-bava ny mpanao gazety, ary fanohintohinana ny asa fanaovan-gazety noho ny tsy fahazakana demokrasia izao fihetsik’ity Senatera HVM ity izao.
Miara-mizaka ny fahatapahan’ny herinaratra nahazo ny Radio Vanille ity ihany koa ny depioten’i Sambava, Mamangy Norbert na Jack izay mipetraka mifanila amin’io radio io.
Omaly ihany dia nividy gropy mandeha amin’ny solika, ny tompon’ny Radio Vanille ary dia niverina nandeha ny onjam-peo ary niverina amin’ny laoniny ny fandaharan’ny radio ny hariva tamin’ny enina ora. Hatramin’io ora io dia tsy mbola namerina ny herinaratra tao ny Jirama.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.