Voailika tsy ho Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena intsony Atoa Laza Razafiarison, kandidàn-dry zareo tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo, araka ny nambaran’ireo mpitantana ity antoko ity teny amin’ny Motel de Tanà omaly alakamisy.
Ny antony, hoy ny filoha Razafimanantany Emile, dia manana ny fitsipika mifehy azy ny antoko ka nisy fandaminana anatiny noraisin’ny Fivoriambe tsy ara-potoana natao tamin’ny herinandro lasa teo nandraisana io fanapahan-kevitra io. Atoa Laza Razafiarison rahateo dia efa manana foto-kevitra hafa hijoroany. Nambaran-dRazafimanantany Emile fa tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny Avotra ho an’ny Firenena intsony i Laza Razafiarison ary dia miala tsy ho mpikambana ihany koa mazava loatra. Notendren’ny Fivoriambe ho Sekretera Jeneraly vaovao kosa manomboka izao Atoa Razafindrakoto Harisson, ary mijanona ho antoko mpanohitra ny fitondrana ny Avotra ho an’ny Firenena. Raha ny mahakasika ny fisavoritahana misy eo amin’ny samy milaza azy ho antoko mpanohitra ankehitriny dia nambaran’Atoa Harisson fa telo volana no efa niandrasan-dry zareo antoko 5 tonta ireo namany tsy nisy tonga fa rehefa voapetraky ry zareo ara-dalàna sy napetraka teny amin’ny minisiteran’ny Atitany ny sata mifehy ny antoko mpanohitra nangatahan’ny fanjakana vao nikoropaka ny sasany. Ny vahaolana aminay dia mifampiresaka aloha ny rehetra vao maka fanapahan-kevitra amin’izay tokony hatao. Tsy manana tombontsoa amin’ny adiady ny mpanohitra, hoy ity mpanao politika ity, fa mila mifanaraka raha tsy izany kely hery.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.