Politique

AVI Hanao fihaonam-be nasionaly


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Antoko efa nangina nefa manohana ny fitondram-panjakana ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana)

 

ary maneho ny fahavononany hiatrika ny faha-30 taonany hibanjinany ny fampandrosoana an`i Madagasikara raha mbola 24 taona izy amin`izao. Mikasa hanao fihaonam-be nasionaly amin`ny 24 janoary izao ho mariky ny fijoroany izy ireo. Ny antoko AVI miatrika ny faha-30 taonany no lohahevitra amin`ny  fihaonam-be nasionaly hatao etsy Anosy. Hiatrika ny fampandrosoana ny antoko miaraka amin’ireo olom-boafidiny. Marihana fa nahazo ben`ny tanàna maherin`ny 80 sy mpanolotsaina 230 ny AVI tamin`ny fifidianana farany teo. Tsy niova ny foto-kevitra fa fitondrana tsara tantana, fanjakana tan-dalàna, fanajana ny zon`olombelona. Tsara ny manarika fa ny AVI dia ao anatin`ny vondrona politika ARMADA. Rehefa miteny AVI anefa dia Ingahy Ratsirahonana Norbert Lala no ao an-tsaina. Efa  namory ny antokony izy tamin`ity fiandohan`ny taona ity. Mihamafana ny raharaha politika ary maro ny resaka mandeha amin’izao. Raha vao nipoitra ingahy Ratsirahonana Norbert Lala dia lasa ny eritreritra fa hisy fanonganam-panjakana ve eto ? Izy rahateo tsy mba mipoitra firy hatramin’izay raha tsy hanongam-panjakana. Ho hitan-tsika eto indray ny tohin’ity raharaha ity.

 

Marigny A.

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT