Politique

Avarapianarana malagasy Manomboka manao pimaso an’i Andry Rajoelina


  • Talata 22 Janoary 2019

Nanao pimaso amin’ny filoham-pirenena vaovao Andry Rajoelina omaly ry zareo avarapianarana mivondrona eo anivon’ny fikambanana Mafami.

 

 

 Niarahaba sy nirary soa ity filoha vaovao ity izy ireo ary nametraka tsindrim-peo fa manana teknisianina maro afaka hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny IEM. Raha misy fifanomezan-tanana ilain’ny fitondrana dia vonona izahay, hoy izy ireo izay ahitana mpianatra ambaratonga ambony sy  mpiasa ary mpandraharaha. Ahitana mpikambana an-tapitrisany manerana ny nosy ny fikambanana, raha ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Hasimpirenena Rasolomampionona, ary efa 40 taona niorenana. Ity izany no fikambanana avarapianarana nanao pimaso voalohany ny filoham-pirenena taorian’ny fianianany. Raha ny fantatra anefa dia efa maro ireo teknisianina namolavola ny tetikasan’ny filoham-pirenena vaovao ary azo antoka fa tsy maintsy haka ny anjarany amin’ny fanatontosana izany. Hatao aiza daholo re izany izay hanao pimaso hafa hanao tohivakana eo e ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT