Politique

AV7 sy jeneraly Ravalomanana Samy tsy sahy nipoitra teny Ivato


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Nahiana ny mety hisian’ny korontana teny Ivato ny sabotsy 21 janoary lasa teo noho ny fanambaran’ny fikambanana AV7 izay nilaza fa hitsena ny filoha Ravalomanana eny an-toerana ihany koa izy ireo.

 Sahy nilaza mihitsy aza i Etienne, filoha teo alohan’ity fikambanan’ireo niharam-boina ny 07 febroary 2009 ity fa ny maso solon’ny maso ary vonona hanao sorona ny ainy izy ireo. Fa ny jeneraly Ravalomanana, lehiben’ny Emmo-Reg koa dia nanindrahindra hatrany fa hanatanteraka ny didy fampisamborana ny filoha Marc Ravalomanana ny mpitandro ny filaminana Malagasy raha vao migadona an-tanindrazana ity farany. Na ny AV7 na ity jeneraly ity dia samy tsy hita teny Ivato ny sabotsy teo. Marihina fa nisy ny antso nataon’ny filohan’ny CST, ny jeneraly Rasolosoa Dolin ho an’ireo mpikambana ao amin’ny AV7 ny zoma 20 janoary mba tsy handehanan’ireto farany eny Ivato hisorohana ny fifandonana.

Nihaino ny tenin’ity mpitarika azy ireo nandritra ny fananiham-bohitra teny Ambohitsorohitra ity angamba izy ireo matoa tsy hita tabilao. Ny jeneraly Ravalomanana kosa indray, araka ny tsiliantsofina, dia teny an-tranon'ny filohan'ny FAT teny Ambatobe no nandaniany ny fotoanany. Mandeha azan y feo fa isan'ireo nanoro hevitra ny filohan'ny FAT ny amin'ny tokony hamiliana lalana ny fiaramanidina nitondra ny filoha Marc Ravalomanana ny tenany. Raha ny nambarany dia mitarika ny ekipa manara-maso ny tanàna ny tenany satria misy ny fikasana fandrobana amin’ireo tranombarotra lehibe, araka ny loharanom-baovao voarain’ny mpitandro ny filaminana. Nilamina tanteraka anefa Antananarivo ny sabotsy teo na dia nangingina avokoa aza ny lalana. Efa mailo koa ny mpivarotra teny Behoririka sy Soarano ka tsy nisokatra ny ankamaroany. Ireo mpandraharaha frantsay moa efa nahazo toromarika avy any amin-dry zareo mba tsy hivoaboaka na koa hanokatra toeram-piasana tamin’io andron’ny sabotsy teo.

Yves sy Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT