Politique

AV 7 Iray tsy mivaky


  • Alatsinainy 06 Febroary 2017

Iray tsy mivaky ny AV7 (Association des Victime du 7 février 2009) ary tsy hisy mandrakizay ny AV7 B. Io no nambaran’i Tsimirehadava, anisan’ireo mpikambana raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo ny sabotsy 4 febroary teo.

Miely ny feo ankehitriny fa nivaky izahay, hoy izy, tsaho izany ! Toraka izany ny filazana fa tsy hanamarika ny datin’ny 7 febroary izahay, tsingerin-taona hahatsiarovana ireo mpitolona namoy ny ainy teny Antaninarenina tamin’ny taona 2009. Efa eo am-panomanana izany ny AV7 ka hisy ny fotoam-pivavahana, ny fanateram-boninkazo … Niteraka fahatarana teo amin’ny fanomanana ny fisian’ireo vahiny maro nifanesy tonga teto Madagasikara toy ny filoham-pirenena tiorka Recep Tayyip Erdogan, ny sekreteram-panjakan’ny Fiketrahana Masina, ny kardinaly Pietro Parolin… Mikasika ny fitsinjovana ireo mpikambana indray dia nomarihin’ny filohan’ny AV7 Rafaramandimby Boana Jean Pierre fa tafiditra ho mpiasam-panjakana manana sata ECD ny 209  hahafahan’izy ireny mitsinjo ny hoaviny. Ny roa tamin’ireo no nambarany fa efa mpiasam-panjakana hatramin’izay saingy mbola nokarakaraina manokana ihany koa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT