Nipoapoaka ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny 09 janoary 2013, teny Iavoloha fa hanomboka amin’ny volana febroary ny fanamboarana ilay lalambe mikodana mampitohy an’Antananarivo Renivohitra amin’Ivato.
Taorian’io raha niezaka nikaroka vaovao ny mpanao gazety dia tsy nisy ny zavatra mivaingana azo notsapain-tanana, fa toa samy mody fanina ny tompon’andraikitra voakasika mivantana na an-kolaka amin’io tetikasa io. Ny hany feo re fotsiny dia tokony hanomboka amin’ny fiandohan’ny volana febroary ny asa ary haharitra enim-bolana araka ny nampanantenain’i Andry TGV, izay midoka tena fa mahavita asa haingana noho ny rehetra nitondra teto. Efa 19 andro amin’ity anio ity ny volana febroary, fa toa tsy nisy na dia tsatok’angady iray monja aza, mifandraika amin’ny fanamboarana ity «autoroute»-n-dRajoelina ity.
Tsy mbola nisy resaka na koa ny fampitam-baovao ofisialy milaza na hahemotra na tsia ny daty hanombohan’ny asa. Mby ao an-tsaina avy hatrany ny hoe : sao lahy ka nihemotra tampoka i Andry Rajoelina rehefa hitany fa tena tsy misy hevitra mihitsy ny haha-kandida azy ? Sa ve nisy olana tampoka teo amin’ny resaka ara-bola ka voatery nahemotra na naato mihitsy, aza ny asa. Mbola misy 9 andro ny volana febroary, ka ho hita eo izay tena marina amin’ity lalambe mikodana mampitohy an’Antananarivo renivohitra amin’Ivato ity. Tetikasa izay tsara ho marihana fa efa novolavolain’ny fitondrana Ravalomanana, saingy tsy tanteraka moa noho ny fisian’ny fanonganam-panjakana teto. Ao anatin’izay resaka fanamboarana fotodrafitrasa sy fampanantenana nataon’ny filohan’ny tetezamita izay ihany dia mahalasa fisainana ny tsy mbola nahavitan’ny hopitaly manara-penitra ao Toliara hatramin’izao, kanefa izy io no naorina voalohany ? Fa inona ny olana ? Sa tsy mbola metimety amin’i Andry Rajoelina ny any Toliara, noho ny antony ara-politika na noho ny antony hafa ? Milaza fa tsy mandainga ary manatanteraka hatrany izay noteneniny i Andry Rajoelina. Ho hita eo ny amin’ny fanamboarana ity lalambe mikodana ity, tena ho atao marina ve sa hiandrasana amin’ny 2018 indray ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.