Dia niesona indray aloha izany Antananarivo, raha nampanantenaina ireo “Autobus intelligent” nambara fa “hampivoatra tanteraka ny tontolon'ny fitateram-bahoaka eto Madagasikara”.
Hifarana andro vitsy ity ny taona, tsy hita popoka ilay fiara. Nanaovan’ny fanjakana serasera mafy mihitsy io fitaovam-pitaterana io tamin’ny 17 febroary 2017, nilazana fa “tsy ho ela dia hampiasaina eto Madagasikara io fiara fitateram-bahoaka raitra io, izay tetikasan'ny minisiteran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro iarahany amin'ny sehatra tsy miankina. Maoderina tanteraka, araka ny anarany, ny “Autobus intelligent”. Ahitana kamerà fanaraha-maso, GPS, fanisana ny isan'ny mpandeha, famerana hafainganam-pandeha, Wifi ... Mahazaka mpandeha 49 izy. Tsy mila mamoaka vola ho sarandalana isaky ny miakatra intsony ny mpanjifa fa karatra elektronika no ampiasaina”. Nanamafy izany ny filazan’ny filoham-pirerena Hery Rajaonarimampianina raha naseho azy ity fiara ity fa “tena mamaly ny filàna sy ny olan'ny mponina ity tetikasa ity ary tena fanavaozana lehibe”. Vita hatreo izany ny taksibe mpampijaly mpandeha, hoy ny maro vao nahita sy nandre ny fidiran’ity “Autobus intelligent”, fa dia “hihatsara ny kalitaon'ny tolotra ao anatin'ny fiara, hihena ny fitohanana sy lozam-pifamoivoizana, hihena ihany koa ny setroka avoakan'ny fiarakodia”. Indrisy anefa fa mbola mijanona ho fampisehoana fotsiny indray aloha iny, toy ny nataon’ny tetezamita tamin’ilay tetikasa “bus manara-penitra”. Tsy atao mahagaga izany fa nivoaka tamin’iny tetezamita iny ihany ny mpitondra am-perinasa amin’izao fotoana. Angamba hiandrasana propagandry amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 indray vao hiseho ny “Autobus intelligent” !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.