Politique

Augustin Andrimananoro Havotsotra sa hadoboka ?


  • Talata 20 Desambra 2016

Anio talata 20 desambra amin’ny 8 ora sy sasany maraina no fotoana voatondro hitsarana an’ingahy Augustin Andriamananoro, izay nosamborina teny am-pandevenana ny sabotsy 10 desambra lasa teo.

 

 Mitaky ny hamoahana azy tsy misy fepetra ny Fikambanana Vona sy ny mponin’i Soamahamanina ary ireo mpanao politika mpiara-dalana aminy. Ho fiombonam-po aminy dia nisy afak’omaly ny fotoam-pivavahana niraisana mba hitrotroana am-bavaka ny tenany noho izao toe-javatra mahazo azy izao. Mbola baraingo hatreto na ho afaka izy na tena halentiky ny fanjakana tanteraka. Raha tsiahivina ny vesatra hanenjehana azy dia fitarihana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, fanohintohinana filaminam-bahoaka, fandoroana tanety, halatra basy izay samy nandritra ny hetsi-pitakiana ny fialan’ny orinasa sinoa Jixiang Mines tany Soamahamanina avokoa.  Nialoha ny fanenjehana an’i Augustin Andriamananoro dia efa nisy ireo 5 lahy nogadraina teny Antanimora noho iny raharaha Soamahamanina iny avy eo nomena sazy miantona ary dia mangina tsy re feo intsony ankehitriny. Tombanana ho mitovitovy amin’izay ihany koa no mety ho azon’ity mpanao politika ity. Sarotsarotra ihany mantsy ny hinoana ny fanafahana azy madiodio aorian’ny fitsarana anio kanefa mitovy ny vesatra hanenjehana azy sy ireo ambara fa mpitari-tolona tany Soamahamanina. Fitsarana tena izy ve sa fitsarana politika no hatao amin’i Augustin Andriamananoro ? Ho hita anio ny valiny.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT