Politique

Augustin Andriamananoro Nijoboka sy tsy nahafehy tena…


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Mila olona afaka miara-miasa amiko aho amin’ny fampandrosoana, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fitokanana ny kianja ao Barikadimy omaly.

 

Fiteny sy firesaka izay maneho sy mitarika an-kolaka ny olom-pirenena hifidy ny kandidan’ny IRK amin’ny alarobia ho avy izao. Toa efa milaza izany ny filoha fa hanao ankilabao ny tanàna sy ny ben’ny tsy avy amin’ny antokony. Fa angaha tsy filohan’ny Malagasy rehetra ny tenany ? Angaha tsy voararan’ny lalàna ny fitokanana fotodrafitrasa amin’izao vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra izao ? Ny kandidan’ny IRK ao Toamasina dia i Nantenaina mihitsy no niaraka tamin’ny filoha nandritra io. Tsy voahaja intsony ny tsy fitanilan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Ny governoran’Analamanga nitarika ireo kandida teny Ivato sy Ambohidratrimo hiara-kametraka vato fototra fanombohan’asa. Ny Tale jeneralin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena Atoa Augustin Andriamananoro dia manao doka manokana ho an’ny kandida Naina Andriantsitohaina, ary nisy mihitsy aza ny fanaparitahana izany tao amin’ny kaonty facebook-n’ny DGPP (Direction Générale En Charge Des Projets Présidentiels), izany hoe pejy momba ny fitantanan-draharaham-panjakana io, ary tompon’andraikitra ara-panjakana izy, raha tsy hoboriboriana amin’ny hoe toerana politika no tazoniny. Nofafana haingana izany avy eo, saingy efa azo tamin’ny alalan’ny “capture” nataon’ny mpikirakira facebook. Mbola nisolotena kandida tamina fandaharana tamin’ny fahitalavitra koa ny tenany. Fanjakana tan-dalàna no eto sa efa fanjakan’i Baroa ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT