Politique

Augustin Andriamananoro Nidoboka eny Antanimora


  • Zoma 16 Desambra 2016

Taorian’ny nisamborana an’i Augustin Andriamananoro ny sabotsy lasa teo sy nitazonana azy tany Miarinarivo dia nampidirana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tenany rehefa nampandalovina teny amin’ny fampanoavana Anosy omaly.

Taorian’ny nisamborana an’i Augustin Andriamananoro ny sabotsy lasa teo sy nitazonana azy tany Miarinarivo dia nampidirana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tenany rehefa nampandalovina teny amin’ny fampanoavana Anosy omaly. Nandritra ny fanaterana azy teny Antanimora dia nisy angidimby nitily avy eny ambony mba hisorohana izay mety sakantsakana. Ny talata 20 desambra  2016 amin’ny 8 ora sy sasany vao hiakatra fitsarana eny Anosy ao amin’ny efitrano faha-3 ity minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra tamin’ny andron’ny tetezamita ity. Miala sasatra manomboka omaly ny fitsarana saingy fitsarana manokana no hatao aminy. Raha tsiahivina dia anisan’ny vesatra lehibe hanenjehan’ny fitondrana HVM azy ny filazana fa mikononkonona fanonganam-panjakana sy nikotrika asa fanakorontanana tamin’ny alalan’ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana tany Soamahamanina ny tenany. Efa mandeha ny resaka ankehitriny fa halentika tanteraka ity filoha lefitry ny vondrona politika MAPAR (Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina) ity. Araka ny feo mandeha dia ny vadin’ny filoham-pirenena mihitsy no tena tsy faly aminy noho ny resaka lonilony teo amin’i Augustin Andriamananoro sy ny olona iray akaiky ny vadin’ny filoha, ka izay no tena handentehana azy. Izay manelingelina ny fitondrana HVM izany dia potehina sy gadraina avokoa fa ireo tandapa sy mpanolotsaina fanta-poko fanta-pirenena dia afaka miriaria sy midingin-drambo toy ilay ramatoa iray voarohirohy tamina fanodinkodinana volam-panjakana mitentina 396 tapitrisa ariary. Toa tsy ho tapitra ity resaka fifanagadrana eo amin’ny mpitondra sy ireo efa nitondra ity fa hifandovana. Tsy atao mahagaga raha milentika ny firenena satria ny mpanao politika tsy manan-katao afa tsy ny mangoron-karena sy mifanenjika lava, fa izay finiavana hihavana sy hampandroso tsy misy.

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT