Tsy raikitra indray raha tokony ho natao omaly ny fanadihadiana an’i Augustin Andriamananoro manoloana ny fampanoavana noho ny raharaha Soamahamanina.
Nahemotra amin’ny fotoana manaraka izay tsy mbola fantatra izy ity ary mbola migadra vonjimaika any Miarinarivo ity filoha lefitry ny vondrona Mapar ity. Re omaly hariva fa hoe alefa aty Antananarivo i Augustin Andriamananoro ka eny amin’ny fitsarana Anosy no hatao fanadihadiana;fantatra, araka ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana, fa mitovy amin’ny an’ireo 5 mirahalahy mponin’i Soamahamanina ny vesatra hanenjehana ity filoha lefitry ny Mapar ity dia fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana, famoriana vahoaka tsy nahazoana alalana, fandorana tanenty, herisetra natao amin’ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.