Politique

Augustin Andriamananoro Ho afa-bela sa tsia ?


  • Talata 27 Desambra 2016

Hanamarika ity andron’ny talata 27 desambra 2016 ity ny fivoahan’ny didim-pitsarana mahahasika an’i Augustin Andriamananoro. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha mahavoasaringotra an’ingahy minisitry ny tetezamita, ka nisamborana sy nanagadrana azy.

Raha tsiahivina, fitarihana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, fanohintohinana filaminam-bahoaka, fandoroana tanety, halatra basy izay samy nandritra ny hetsika tany Soamahamanina avokoa no anenjehana azy. Hivoaka anio ny didim-pitsarana taorian’ny Fitsarana teny amin’ny Tribonaly Anosy ny 20 desambra 2016 teo, ka namerenana azy indray teny amin’ny fonjan’Antanimora satria nolavin’ny Fitsarana ny fangatahana ny hanafahana azy vonjimaika. Tany am-ponja ny tenany no nankalaza ny fetin’ny noely ary mbola fanontaniana mipetraka ny hoe ho afa-bela ve ny tenany sa ho tratran’ny hoe in-droa nahita ny maizina, ka mbola any Antanimora i Augustin Andriamananoro no hitsena ny taona vaovao 2017 ? Tsy mipetra-potsiny kosa ny fianakaviany manoloana izao fanenjehana azy izao, fa miantso ny fanampian'ny sehatra iraisam-pirenena i Volanirina Andriamananoro vadiny, mba hijery akaiky ny raharaha. Nisy ihany koa ny taratasy nalefany any amin'ny Masoivoho sy ny Kaonsily jeneralin'i Frantsa ny 24 desambra teo. Maro ireo zavatra tsy ara-drariny ampiharina amin’i Augustin Andriamananoro, toy ny tsy fanajana ny zon'olombelona sy ny zo fototra maha olona, hoy ny vadiny. Mikasika ity raharaha Soamahamanina ity dia efa nisy ireo dimy lahy notanana am-ponja teny Antanimora nandritra ny roa volana teo ho eo. Sazy mihantona roa taona no didy navoakan’ny Fitsarana momba azy ireo taorian’izay. Mbola baraingo kosa ny momba an’i Augustin Andriamananoro, fa ny valim-pitsarana anio no hamaly ny fanontanian’ny rehetra hoe : ho afa-bela sa tsia ? Ny zavatra tsikaritra dia mangina tsy re feo mandrak’androany i Andry Rajoelina, kanefa filoha lefitry ny vondrona MAPAR (Miaraka Amin’ny Prezida Andry Rajoelina) mpanohana voalohany azy no tojo olana goavana.

Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT