Politique

Atsimondrano Tsy miala ary tsy mahalala afa-tsy i Marc Ravalomanana


  • Alarobia 10 Aprily 2013

Nifamotoana teny amin’ny Lycée Séraphin Andranonahoatra Itaosy, ny zanak’i Dada Atsimondrano ny tolakandron’ny alahady 07 aprily 2013 teo.

 Hetsika famoriam-bahoaka amin’ny fampodiana ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, nokarakarain’ny KMFB Atsimondrano izy ity. Tonga marobe ny vahoaka namaly ny antso. Niditra tamin’ny antso amin’ny finday mivantana avy tany Frantsa nandritra izany ry zareo Gasy Tia Tanindrazana - Ile de France (GTT IDF), nanizingizina fa tsy manaiky izay olona mikasa ho kandida hisolo ny filoha Marc Ravalomanana. Ny fampodiana ity farany any an-tanindrazana no nimatimatesanay, hoy izy ireo ary manao ny ainay tsy ho zavatra ihany koa izahay amin’izany. Nifanentana sy nifanome toky izy ireo fa hiara-kamondrona hery hahatafita ny tolona. Taorian’izay dia niditra nivantana an-tariby niainga avy atsy Afrika Atsimo, nitafa tamin’ny vahoaka ihany koa ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Tena faly ny vahoaka, ary faly toy izany ihany koa ny filoha. Nambaran’ity farany fa tsy misy ny kandida hisolo ny tenany fa tsy maintsy hody any an-tanindrazana izy.

Tohizo ny hetsika ary entano ny vahoaka, hoy izy. Aza miandriandry fa ataovy ny asanareo, ary manaraha hatrany ny toromarika avy amin’ny mpitarika anareo. Teo ihany moa dia nanao fanamby ny vahoaka fa hotohizana amin’ny alahady izao indray ny hetsika, ary dia niteny ny filoha fa hiresaka maharitra aminy io fotoana io. Tena liana tamin’ny fampitam-baovao sy izay mikasika ny tolona ankehitriny izy. Nisy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka tamin’ny fandraisana fitenenana. Tao ny nametraka fanontaniana, ary tao kosa ny nanome soso-kevitra amin’ny izay tokony hatao. Tao ihany koa ireo nampitandrina amin’izay mitady hamilivy ny sain’ny vahoaka hiala amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy mahalala ary tsy miala amin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana ny vahoakan’Atsimondrano, ary vonona hatrany ny hanohy ny tolona hatramin’ny farany. Mbola hifamotoana eny amin’ny Séraphin Andranonahoatra Itaosy izy ireo amin’ny alahady izao.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT