Nisy fihaonan’ireo Ampanjaka rehetra Toho-Troky, ivondronan’ny Foko enina ao Farafangana dia ny Rabakara, Antesaka,
Zafisoro, Antevato, Zarafagnilia ary Zaramanampy, ny herinandro lasa iny. Nisy ny fanambarana iraisana nataon’izy ireo taorian’izay manolotra sy manohana an-dRavoahangy Dorian Thierry na Balika na Balita ho lehiben’ny faritra Atsimo Atsinanana raha toa ka misy fanendrena lehiben’ny Faritra harotsaka ho kandida raha hisy fifidianana lehiben’ny Faritra. Niteraka resaka tamin’ny tambajotran-tserasera ity fanapahan-kevitra ity, izay adikan’ny sasany ho fisalovanana na koa fanerena ny governemanta hanaiky ny tapaky ny Ampanjaka amin’ny fanendrena solontenam-panjakana ary koa mety hanohintohina ny demokrasia raha fifidianana no hatao. Hiteraka tsy fahamarinan-toeran’ny lehiben’ny Faritra am-perinasa ao Atsimo Atsinanana Pr Théodoret, ihany koa ity fanapahan-kevitr’ireo Ampanjaka any Farafangana, satria dia efa mazava izany izao fa efa misy mikendrikendry ny toerany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.