“Tsy misy manaiky ireny didy manilika sy manosihosy ny zom-pirenen’ny Malagasy navoakan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ireny. Efa didy tsy azo ivalozana no nambaran’ny lalŕna, ka nahoana no kitihina sy azo ivalozana tampoka ?”.
Izay no nambaran’Atoa Ricky Dinh-Van. Nomarihan’ity mpanao politika mpiara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita ity, fa olona gadran’i Tsiafahy sy olona miandry didim-pitsarana ary olona mpivarotra tanindrazana ve no ho fidian’ny Malagasy ho filoham-pireneny ? Koa inona izany no nanaovana sy nitakiana ny fanovana teto raha hanaiky izay ny Malagasy ? Famarotana ny fiandrianam-pirenena izao ataon’ny CES izao ka tsy azo ekena, hoy hatrany Atoa Ricky Dinh-Van Pagni. Raha izao no izy dia “miala tsy handray anjara amin’ny karazam-pifidianana misy izahay, ary mety mbola hiditra amin’ny henjankenjana kokoa ho fiarovana ny hasin’ny vahoaka Malagasy nitakiana ny fanovana teto”. Araka ny angom-baovao koa dia manomana hetsika eny amoron-dranomasina ny ekipan’ny TGV Toamasina sy ireo mpiara-dia aminy ato ho ato ho fanoherana ny didy jadon’ny vahiny sy ny Frantsay.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.