Politique

Atoa Ramaharavo Michel “Tsy manaja ny zon’olombelona ny GIC-M”


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013

Tsy mahazaka ny tery vay manta ataon’ny vondrona iraisam-pirenena mikasika an’i Madagasikara (GIC-M) ireo ekipan’ny filohan’ny tetezamita any ampitan-dranomasina, ka nandefa taratasy ho an’Atoa Joaquim Chissano nilazan’izy ireo ny tsy fahafaliany.

Nambaran’Atoa Ramaharavo Michel, Sekretera jeneralin’ny antokon’ny fitondrana any ampitan-dranomasina io fa “vondrona tsy manaja ny zon’olombelona ny GIC-M, tsy manaja izany ao anatiny ihany koa Atoa Joaquim Chissano mitarika azy ireo”. Ho an’ireto mpanohana ny filohan’ny tetezamita any ivelany ireto mantsy fa mifanohitra amin’ny fanambarana mikasika ny zon’olombelona ny fihetsika ataon’i Chissano sy ny GIC-M, ary nolazain’izy ireo fa fanivaivana fiandrianam-pirenena. Notsiahivin’Atoa Ramaharavo Michel tao anatin’ny taratasy nataony ity, fa hanamora ny fivoahan’ny Malagasy amin’ny krizy politika no andraikitra napetraka tamin’Atoa Chissano sy ny ekipany, fa tsy hitsabaka amin’ny raharaham-pirenena Malagasy mihitsy. Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy ankehitriny sy ataon’izy ireo tonga eto Madagasikara. Raha izao no mitohy dia “hampiady sy hanapotika ny Malagasy ny lalana itondran’i Chissano sy ny GIC-M ny raharaha”. Tokony hiaiky izany Atoa Joaquim Chissano fa tsy nahomby. Ankoatra izay dia nanizingizina Atoa Ramaharavo Michel fa “ny vahoaka Malagasy no nangataka ny firotsahan’ny Filohan’ny Tetezamita amin’ny fifidianana, ka fanitsakitsahana feno ny zon’ny Malagasy” ny fanakanan’ny GIC-M azy hiala tsy ho kandida miaraka amin’ireo kandida roa hafa.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT