Politique

Atoa Lercia Kandidŕ ho filoham-pirenena Malagasy vaovao koa


  • Alakamisy 04 Aprily 2013

Nanambara ofisialy nanoloana ny mpanao gazety tetsy amin’ny Hotel de France Analakely omaly Atoa Lercia mpandraharaha avy any Toliara II sady filohan’ny « Association » AVO (Andao Vahana ny Olana) fa ho anisan’ireo ho kandidŕ amin’ny fifidianana ho filoham-pirenen’ny Repoblika faha-4 eto Madagasikara ihany koa.

 Manoloana ny toe-java-misy  ankehitriny dia mahatsapa ny tenako fa manana adidy eto amin’ity firenena ity. Tsapako fa betsaka ny zavatra tsy rariny misy eto Madagasikara. Mahatsapa ihany koa aho fa mandalo fotoan-tsarotra ny Malagasy rehetra ary ao anatin’ny fangirifiriana tanteraka ary ny tenako manokana dia anisan’ireo iharan’ny tsindry hazo lena saingy miezaka ny manindry fo. Tena ao anaty olana ny vahoaka, miraviravy tanana tanteraka satria ny marina dia tsy hita intsony eto. Manjaka ny risoriso sy tsy fandriampahalemana ka tsy afaka manao n’inona n’inona amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vahoaka. Izany rehetra izany no mahatonga ahy nanapa-kevitra ny hirotsaka amin’ity fifidianana ho avy ity raha misy fitoniana sy filaminana mialohan’izany. Tsy hifaninana amin’ireo hafa efa nanambara ny firotsahany aho, hoy Atoa Lercia, fa mahatsapa fa manana adidy lehibe eto amin’ny firenena ary efa manana praograma matotra amin’ny fanarenena ity Nosy ity izay miainga amin’ny fampianarana sy fitsaboana.

Tsy maintsy havaozina ifotony ny rafi-pampianarana eto amintsika ka hampianarina maimaimpoana avokoa ny zanaka Malagasy rehetra fa ny an’ny mpanana sy mpitondra alefany any ivelany nefa lazaina fa tsara ny fampianarana eto amintsika. Harenina ny faripiainan’ny mpampianatra izay tena farahidiny indrindra amin’ny mpiasam-panjakana, hoy ity filohan’ny AVO ity.  Hotsaboina sy homena fanafody maimaimpoana koa ny Malagasy tsy ankanavaka, hoy ity kandidà ity, fa ny fitsaboana eto amintsika dia tena mahafaty olona satria lafo be ny sarany. Raha tian’ny mpitondra fanjakana tena hisy ny fiovana eto dia tokony hiandraiketany 100% ny marary any amin’ny hopitaly rehetra. Tsy manana antoko politika aho, hoy ity mpandraharaha ity namarana ny teniny, ary tsy mpanao politika gaigilahy fa manana fotokevitra hampandrosoana ny firenena kosa.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT