Politique

Atoa Fulgence “Tsy hanova ny didy efa nivoaka ny fanovana ny mpikamban’ny CES”


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013

“Raha ny zava-nisy dia tena diso ny CES tamin’ny didy navoakany noho ny fisian’ireo kandida tsy nanaraka ny lalŕna nefa nekeny ho mpifaninana.

Hendry anefa izy ireo tamin’ny didy navoakany amin’ny maha mpitsara ambony azy, ka tsy tokony hitsabahana sy hanaovana kabary lava ary hisiana tery vay manta ny didy navoakany. Matoa ireny ny didy dia izay izany no mety sy hampilamina ary hahavitana haingana ny fifidianana hialana amin’ny krizy”. Izay no nambaran’Atoa Fulgence filohan’ny fikambanana “Zaza Mahazo Honon-dRaha” ao Toamasina, raha nilaza ny heviny mikasika ny resaka ataon’ireo mpanao politika sy ny tery vay mantan’ny vahiny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanomanana ny fifidianana, ary momba ny famolavolana lalàna amin’ny fanovana ny mpikamban’ity Fitsarana manokana momba ny fifidianana ity. Nomarihan’ity mpanao politika ity fa tsy hanova ny didy efa nivoaka ny fanovana ny mpikamban’ny CES kasaina sy ny fanerena ataon’ny vondrona iraisam-pirenena antsika io. Didy ara-dalàna no namoahana ireo kandida 41.

Ny lalàna malagasy sy iraisam-pirenena koa dia milaza mazava fa tsy azo tsaraina in-droa amin’ny fitsarana iray ny tranga iray, fa ny azo atao kosa ny mampiakatra izany amin’ny fitsarana ambony kokoa. Eto anefa tsy misy izany fitsarana amboniny izany amin’ny didy tsy azo ivalozana ny didin’ny CES”. Noho ireo, araka ny nambaran’Atoa Fulgence hatrany, dia filambaniny sy hampisy ady an-trano no tiana hapetraka eto, satria na ho inona ambara eto dia sahiko ny milaza fa ny 70%-n’ny mpifidy dia mpanara-dia ireo kandida telo tiana hailika ireo ka hisy dikany inona ilay 30% hifidy, tsy vao mainka hiozongozona izay mpitondra ho avy eo”, hoy hatrany Atoa Fulgence namarana ny fanazavany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT