Politique

Atoa Fulgence “Mampiana-dratsy ny tanora ny mpanao politika”


  • Zoma 24 Mey 2013

“Hijanona aho”, “Tsy hiala aho !”, “Tsy firaharahana ny sonia natao”. “Fampianaran-dratsin’ny mpanao politika ny tanora Malagasy avokoa ireo”, hoy Atoa Fulgence, mpandala ny federalisma sady mpitarika ny fikambanana

 “Zaza mahazo honon-draha” ao Toamasina. Manahy ny tenany sao hivadika korontana izao raharaha izao, satria ireo heverina ho fitaratra sy tokony hanaja ny lalàna indray izao no miteniteny foana imasom-bahoaka noho ny fitiavan-tseza sy fitiavam-pahefana. Roa no lalana araka ny hevitr’Atoa Fulgence : “na miroso amin’ny fifidianana isika amin’izay vola misy eto amintsika na mifanaraka amin’ny fanemorana ny fifidianana ka hanangana tetezamita vaovao tsy mihoatra ny enim-bolana ny faharetany handravonana ny disadisa ary hamitana ny fampihavanam-pirenena”. Nohitsian’Atoa Fulgence fa izao savoritaka izao no mitranga dia vokatry ny tsy fahavitan’ny SADC ny asany, ny tsy fampiharan’ny Vondrona Afrikana sy ny Firenena Mikambana ary ny Vondrona Eropeana ny sazy maro navoakany ho an’ny mpanongam-panjakana. Koa mila miray hina isika Malagasy, hoy Atoa Fulgence, “tsy hanaiky lembenana amin’ny hoavintsika”.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT