Politique

Atoa Fulgence “Hiantoka ny fitoniana eto ny fifamelan-keloka”


  • Talata 29 Novambra 2011

Taorian´ny fahatongavan´ny amiraly Ratsiraka sy ny fahatongavan´Atoa Tojo Ravalomanana ary ny fiandrasana ny ho fahatongavan´Atoa Marc Ravalomanana, dia maro ny fanehoan-kevitra avy amin´ny mpanara-baovao politika ao Toamasina.

 Naneho ny heviny Atoa Fulgence, izay filoha lefitry ny Andriambo raiamandreny Betsimisaraka sy filoha lefitry ny Komity provinsialy ny mpandrindra ny antoko Arema Toamasina ary mpikambana ny Biraon´ny Rodobe Toamasina ihany koa.

Tia Tanindrazana (T.T) : Tonga an-tanindrazana ny amiraly Ratsiraka, midika inona aminao ny fahatongavany, fa nanaitra ny mpanara-baovao ihany ny kabary nataony teo am-pahatongavana ?
Atoa Fulgence : Amiko izany dia hitondra vahaolana, hitondra fitoniana, hametraka ny fenitry ny demokrasia eto ny filoha Ratsiraka. Ary ireny fihetsiky ny amiraly ireny dia mitarika fa ilaina ny famelan-keloka sy fifamelan-keloka. Tsy hisy ny filaminana eto raha tsy tanteraka izany. Izay no nahatonga ny amiraly nangataka ny fanafahana ireo gadra politika sivily sy miaramila nofonjain´ny fitondrana tetezamita.

T.T : Tafatsangana na saro-piterahana sy tsy nanana sarim-pianakaviana ny governemanta tsy milamina ny firenena, inona no mety ho vahaolana aminao entina hamahana izany ?
Atoa Fulgence : Ny vahaolana tsara dia ny fiaraha-mitantana tena izy ihany, fa tsy anaovana sinema ho fanampena-maso fotsiny. Samy tena mandray anjara ao avokoa ny ankolafy politika rehetra aloha izay vao ny ankolafin-kery hafa, eo amin´ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Raha tafapetraka izay, dia atao mazava ny fanomanana ny fifidianana, mahazo mandray anjara avokoa ny olom-pirenena. Tokony hivoaka mandritra izany koa ny famotsoran-keloka, ary ny vondrona iraisam-pirenena no mikarakara azy, mpanampy fotsiny ny CENI. Raha tsy tanteraka ireo rehetra ireo araka ny fahitako azy, dia mbola hilona anaty krizy ny Malagasy.

T.T : Inona ary ny hafatrao Atoa Fulgence ?
Atoa Fulgence
: Amin´ny maha mpitolona ahy sy aminy maha olom-pirenena ny tenako, dia vonona aho sy ny mpiara-dia amiko ny hitondra ny anjara birikiko amin´ny famahana ny krizy. Izay no mahatonga ahy sy izahay mitondra ny soso-kevitra tahaka izao, satria mety hahasoa ny firenena ihany ny hevitry ny maro.

Nangonin’i Rakoutou

Sary : Atoa Fulgence

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT