“Gaga aho mahita ny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita manana fisainana mpanao valifaty, tsy mahasoa antsika izany”, hoy Atoa Fulgence mpikatroka Arema, ary filohan’ny GAJEB no mambra eo anivon’ny fikambanana Zaza Mahazo honon-dRaha.
“Marina fa tsy navelan’Atoa Marc Ravalomanana nody nandevina ny rahalahiny Atoa Didier Ratsiraka, Rtoa Céline Ratsiraka nandevina ny dadatoany, toy izay koa Tantely Andrianarivo sy Herivelona Ramanantsoa …tsy anjaran’Atoa Andry Rajoelina no mamaly izany. Mpitondra ny tetezamita no anjarany. Koa raha izay no tena tanjony, matimaty foana ireo lazaina fa maritiora, nitolona fahatany ireo notaomina ny tamin’ny 2009”, hoy hatrany ity mpanao politika ity, izay nanamafy fa “raha amiko sady reny koa izy no tsy manana dosie eny amin’ny fitsarana no tsy manana olana amin’ny Malagasy, dia aleo Rtoa Lalao Ravalomanana hody hitsabo an-dreniny, aleo koa hiverina an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana amin’ny maha Malagasy azy. Ilaina ny fifamelan-keloka faobe ho an’ny mpanao politika izao, satria raha izay no tsy ho vita dien’izao tetezamita izao, aza gaga raha hitranga hatrany ny fifanonganana sy ny krizy ary fifamaliana faty samy hafa”.
Ankoatra izay, tsy nisalasala nilaza ny fahitany ny filankevitra ny fampihavanam-pirenena Malagasy koa Atoa Fulgence, izay nanambarany fa “lisitra tsy niova sy mpikambana tsy mazava ary tsy maha solontena ny faritra niaviany ireo akory no hahavita ny fampihavanana eto”. “Sao hitondra olana vaovao indray ny fametrahana azy ireo hampihavana ny mpanao politika sy ny Malagasy ireo”, hoy hatrany Atoa Fulgence namarana ny fanazavany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.