Samy manana ny fahitany ny kabary nataon’ny filohan’ny tetezamita ny 26 jona teo tao Iavoloha avokoa ny mpanao politika.
Ho an’Atoa Fulgence, izay filoha lefitry ny vovonana Arema Toamasina no filohan’ny fikambanana GAJEB (Groupement des Jeunes Betsimisaraka) sy FIZAMITO (Fikambanan’ny Zaza Mahazo honon-draha Toamasina). Aminy dia “toy ny mpitari-bato vilam-bava ny filohan’ny tetezamita raha nanao iny kabary iny. Iza moa no tena tsy manaiky ny hifampidinika eto hatramin’izay ? Iza no tsy manaraka hatrany ny fifanarahana nifanaovana ? Matoa ao anatin’ny telo taona tsy mahatafavoaka ny firenena ao anatin’ny krizy toy izao dia tsy fahaizana sy tsy fahombiazana izay”.
Nomarihany hatrany fa “tsy mila kabary ambony vavahady tahaka ireny ny famahana ny krizy. Raha tena tia an’i Madagasikara marina ingahy Rajoelina, dia ny fanekeny hanao ny fihaonan’izy efatra mirahalahy mianaka ihany no vahaolana, ary atao eto Madagasikara ny fihaonana, amin’izay tonga amin’ny teniny hoe tsy tokony hibaiko antsika amin’ny fanapahana horaisintsika intsony ny vahiny”. Ankoatra izay, dia milaza ny heviny mikasika ny kabarin’ingahy Rajoelina tany RIO+20 koa Atoa Fulgence, izay nilazany fa “raha tanteraka avokoa ny teny nataony tany ireny, dia tsy ohatra izao ny firenena. Ripaka ny hazo sarobidy, natao gaboraraka tamin’ny vahiny ny ala voaaro nitrandrahana volamena sy safira, vao manao belazao eo anivon’ny firenen-dehibe mba hahazo vola fa hoe mijaly ny vahoaka”. “Amiko, tsy hisy fifidianana hanjary sy handeha eo raha tsy efa vita io fihaonana an-tampony amin’izy efatra mirahalahy mianaka io, ka io no tokony hohafainganina”, hoy Atoa Fulgence namarana ny fanazavany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.