Politique

Atoa Andriantsoa «Tsy voahaja ny tondrozotra»


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena misahotaka ankehitriny ny Talen’ny sekoly teknika CFPRR ao Ambositra, Atoa Andriantsoa.

 Nambarany fa mbola mandringa ny fampiharana ny tondrozotra nosoniavin’ireo mpanao politika malagasy hivoahana amin’ny krizy. Andininy sasantsasany voarakitra ao no tsy mbola tanteraka toy ny fampodiana an-tanindrazana ireo mpanao politika nanao sesitany ny tenany sy ny famoahana ireo gadra politika. Nohamafisin’i Andriantsoa izany teniny izany ka nilazany fa na efa tafatsangana aza ny governemanta iraisana sy hitsanganan’ny Parlemanta ato ho ato dia mbola manan-danja noho ireo ny fahatongavan’ireo nanao sesitany ny tenany, indrindra ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana miaraka amin’ny famoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika. Ho an’ity Telen’ny CFPRR ao Ambositra ity dia tsy olana ny fahatongavan’ny ny filoha teo aloha toy ny nahatongavan’ny amiraly Ratsiraka satria Malagasy izy ary tokony hiverina an-tanindrazana.

Amin’ny maha raiamandreny azy ireo dia rariny sy hitsiny raha mandray anjara sy mitondra ny heviny amin’ny famahana ny krizy misy eto izy ireo. Mikasika ny fananganana ireo rafitra isan’ambaratongany dia tsy nisalasala i Andriantsoa nilaza fa tsy vahaolana ny fampitomboana isa ireo parlemanta fa vao mainka mampahantra antsika izany. Tokony hosoloina avokoa ireo CT sy CST rehetra hidiran’ny hafa indray ary mila hafainganina ny fanatanterahana ny fifidianana. Mila ampifandajana ireo parlemanta tendrena ka tsara raha mitovy ny isa avy amin’ny mpomba sy mpanohitra ny fitondrana. Amin’ny fiverenan’ireo izay nanao sesitany ny tenany tany ivelany dia ilaina, hoy Andriantsoa ilay fihaonan’izy efatra mirahalahy an-databatra boribory miaraka amin’ireo mpitarika politika eto amitsika ka tetezamita vaovao mihitsy no mila atsangana aorian’izay. Ny fifidianana filoham-pirenena no tokony handeha mialoha ireo fifidianana rehetra hotanterahina.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT