Atoa Andriamampianina

> Manahy ny tsy hisian’ny fifidianana


  • Talata 20 Aogositra 2013

Efa nampoizina ny fanesorana ireo kandidŕ telo izay notakian’ny vondrona iraisam-pirenena raha ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa nialoha ny nitsanganan’ny CES vaovao no zohina, hoy Atoa Andriamampianina.

Na izany aza dia betsaka no diso fanantenana na nolazain’ny filohan’ny CES aza fa tsy fiandaniana iny didy iny. Tsy mbola fantatra ny mety ho vokatr’iny hatreto satria efa nilaza ny tsy fanekeny izany ny ankolafy Ravalomanana, toy izany koa ny mpomba an-dRajoelina. Mahagaga, hoy ity mpandinika ny raharaha politika ity fa dia nilaza ireo mpahay lalàna Malagasy tany am-boalohany, anisan’izany ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine sy ny Atoa Rakotomanana Honoré fa didy tsy azo ivalozana ny didy nivoaka teo aloha ka tsy azo ovaina. Taty aoriana anefa dia voalaza indray fa azo ivalozana indray izany ka fanina ny vahoaka madinika satria tsy fantatra intsony ny marina. Mampanahy, hoy Atoa Andriamampianina fa tsy azo antoka ny ahatongavana any amin’ny fifidianana sy ny fitoniana. Ny fanantenan’ny maro izao dia ny FFKM izay miezaka ny hampihaona azy efa-dahy filoha  teo aloha.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT