Nanao be midina tany Tolagnaro, Distrika fiaviany ny filohan’ny CENIT, Atallah Béatrice sy ireo mpiara-miasa aminy.
Ny hijery ifotony ny zava-misy taorian’ny namakian’ireo andian’olona ny biraon’ny rantsamangaikan’ny CENIT any an-toerana sy hihaona amin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana no anisan’ny anton-dian’ireo delegasiona tarihiny. Mahakasika ilay fahavakisan’ny biraon’ny masoivohon’ny CENIT eo anivon’ny Distrika na CED ka nahaverezana ireo fitaovana, dia nametraka fanontaniana ny tenany : fa nahoana ny an’ny CENI-T ihany no vaky ny trano, very ihany koa ireo fitaovana ? Nanaitra azy koa ny tsy fisian’ny filaminana eo anivon’ny ratsamangaikan’ny CENIT.
Misavoritaka ny birao, tsy mazava ny isan’ny olona nahavita kara-panondrom-pirenena. Ny CIR ivontoerana informatika eny anivon’ny faritra manao ny lisi-pifidianana no tena voatsikera ka tokony hisy fomba fiasa vaovao raha tiana handroso ny asa. Notsongolohin-dRtoa filohan’ny CENIT ny antony tsy ametrahana ao anaty birao ireo fitaovana ampiasaina toy ny imprimante, izay ao an-dalatsara no mipetraka. Na izany aza dia nambarany fa misy fitaovana iray kamiao efa eny an-dalana makany Faradofay amin’izao fotoana izao ka tokony hisy ny fandaminana . Efa any an-toerana ny teratany kôngôley iray mpilatsaka an-tsitrapo, hiara-miasa amin’ny CED sy CER (masoivohon’ny CENIT eo anivon’ny Kaominina). Manampahaizana manokana amin’ny fanomanana ny fifidianana izy. Hefarana ny faharetan’ny fivahinian’ireto delegasiona avy amin’ny CENI-T any Faradofay izao.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.