Nanambara omaly ny filohan’ny CENI-T Rtoa Atallah Béatrice fa efa tena vonona ny lafiny ara-teknika amin’ny fiatrehana ny fifidianana, ary mbola azo atao tsara ny fanaovana fifidianana roa (filoham-pirenena sy solombavambahoaka) amin’ity taona 2013 ity.
Ara-politika ny olana fa tsy ara-teknika, tahaka izay foana moa ny fomba firesaky ny CENI-T efa hatramin’ny volana mey, fa dia izao in-droa nahemotra izao ny datim-pifidianana. Efa tonga ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanaovana fifidianana eto amintsika, tahaka ny karatry ny mpifidy, ny vata fandatsaham-bato mangarahara, ireo gropy mpanome herinaratra halefa any amin’ny toerana tsy misy herinaratra, ny taratasy rehetra ilaina. Ny bileta tokana sisa no tsy mbola vita, hatreto aloha, satria tsy mety manonta ilay izy ny Afrikanina Tatsimo fa tsy mbola nahazo ny alalana hanao izany. Azo antoka fa teny midina avy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena no tsy mbola nanontana ireo bileta tokana 7 tapitrisa satria mbola misy ny kandida tsy maintsy hailika, ka rehefa tena voailika ireo kandida ireo vao amboarina amin’izay ny bileta tokana.
Manamafy indray izany Rtoa Atallah Beatrice fa efa vonona hatry ny ela ny CENI-T, ka raha sanatria tsy misy ny fifidianana, dia tsy avy amin’izy ireo no antony mahatonga izany, fa avy amin’ny hafa… Izay no azo andikana io famerimberenan’ny filohan’ny CENI-T matetika io fa efa vonona ny ara-teknika. Efa niresaka tamin’ny mpanao politika, ny sehatra iraisam-pirenena tsara ny CENI-T ka mahafantatra ny olana saro-bahana momba ny lafiny ara-politika mampihisatra ny fanatanterahana ny fifidianana, koa azo heverina fa miaro ny tenany tsy ho ratsy endrika ny CENI-T, izay mihevitra fa efa nanao ny asany araka ny tokony ho izy, fa dia ny mpanao politika no mampikatso ny fiatrehana ny fifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.