Washington, New York, Bruxelles ary Parisy no tanŕn-dehibe any Etazonia sy Eoropa hotsidihan’ny filohan’ny CENI-T Ramatoa Atallah Béatrice mandritra ny 12 andro.
Nandao an’i Madagasikara omaly, ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ka tonga dia hihazo ny renivohitr’i Etazonia avy hatrany. Hihaona aminy any Washington Andriamatoa Donald Yamamoto, Sekreteram-panjakana lefitra misahana an’i Afrika. Ny fandrosoan’ny asa momba ny zotram-pifidianana sy ny bileta tokana no ho votoatin-dresaka mandritra ny fihaonana. Vita io dia hikisaka any New York misy ny foiben’ny Firenena Mikambana indray Ramatoa Atallah Béatrice ka hihaona amin’ny tompon’andraikitry ny sampandraharaha politika ao amin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity, izay mpiara-miasa akaiky amin’ny CENI-T amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana. Hihazo an’i Bruxelles avy hatrany indray ny filohan’ny CENI-T rehefa vita ny dinika any amin’ny Firenena Mikambana ka heverina fa tena manan-danja tokoa ny fivoriana hatrehany any amin’ny foiben’ny Vondrona Eoropeanina satria mamatsy vola hatrany amin’ny 17 tapitrisa dolara ny fifidianana ny Eoropeanina ary efa nanambana ny hampiato io famatsiam-bola io raha toa ka tsy misintaka ireo kandida telo.
Hifarana ao Parisy ny diany ka olona roa manana toerana goavana amin’ny fifandraisan’i Frantsa amintsika no hifampiresaka amin-dRamatoa Atallah Béatrice ao dia ny tompon’andraikitra voalohany misahana an’i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana ao amin’ny Quai d’Orsay na ny ministeran’ny raharaham-bahiny Frantsay sy Andriamatoa Abdou Diouf, Sekretera jeneralin’ny Frankofonia, izay vao avy nanambara farany teo fa vonona ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny fampiharana ny tondrozotra, ny fanatanterahana fifidianana malalaka, azo antoka ary mangarahara ary vonona hanohana antsika amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna. Ho vahiny manokana amin’ireo haino aman-jery vahiny tahaka ny Voice of America, TV5 Monde sy ny France 24 ihany koa ny filohan’ny CENI-T ary hitsidika ny toeram-piasan’ny Radio France Internationale mandritra izao diany maharitra any ivelany izao. Maro no mihevitra fa tena hanao izay fara heriny ny CENI-T amin’ny alalan’ity fitetezan’ny filohany kaontinanta roa ity, hiala nenina sy handresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena ny hanohizana ny famatsiam-bola sy ny fiaraha-miasa rehetra mba hahatanteraka ilay fifidianana amin’ny 24 jolay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.