Politique

Atallah Béatrice Hatao minisitry ny Atitany


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Fanovana governemanta. Any izany izao no ambetin-dresaka taorian’iny Asaramanitra teny Iavoloha tamin’ny 6 janoary 2017 iny.

Mahita volana alohan’ny biby ny mpanao gazety hatrany moa no valintenin’ny filoha Repoblika mikasika ny mety hisian’io fanovana governemanta saingy manitikitika ny maro ihany ny nampitandreman’i Hery Rajaonarimampianina ireo manampahefana tamin’ny kabariny fa « Tsy mety, hoy ny fitenenana, raha manantena rahalahy mahay mandrafitra ka mitondra ny hazo meloka hatrany an’ala » ary « Aza manao toa ny tandindona, miaraka ihany fa tsy namana ». Tandremonareo ao anatin’ny ambaratonga samihafa, ato anatin’ny fitondram-panjakana, tandremo mba “tsy hanao mpamosasy malemy, ka manaratsy endrika ny fitondrana sy ny mpitondra”. Miverina ny resaka taorian’iny fa tsy azo ihodivirana ny fanovana governemanta. Efa mandeha ny feo fa mety hankinina amin-dRtoa Atallah Béatrice ny minisiteran’ny Atitany, hanomana ireo fifidianana ho avy. Tsy vaovao amin’i Atallah Béatrice tokoa raha ny resa-pifidianana ary ananany traikefa io na tamin’ny naha filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana tamin’ny tetezamita na CENI-T ary, nikarakara ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka nampiasana voalohany ny bileta tokana teto Madagasikara, niverenana amin’ny rafitra ara-dalàna. Mety vita ihany koa ny iraka nankinina taminy, tamin’ny resaka diplaomasia namerenana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nanamafy izany ny nampiatranoan’i Madagasikara ny fihanana an-tampon’ny Comesa sy ny Frankôfônia farany teo. Ny hany tsy tontosan’i Atallah Béatrice dia ny fanoloana na fanendrena ambasadaoro Malagasy any amin’ireo firenena miara-miasa akaiky amin’i Madagasikara. Ny lehiben’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier no mampivady ny asan’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Atitany hatramin’ny aprily 2016 nijoroan’io governemanta ankehitriny io, izay tsy mahavaha olana nefa nindrahindrana fa governemanta hiady amin’ny fahantrana, hiady amin’ny kolikoly, hiady amin’ny tsy fandriampahalemana. Nandratsy endrika io governemanta io rahateo iny raharaha volabe nomena ny Ambohimahamasina-Ambalavalo nefa nisy namindra kaonty, izay nanaovan’ny Bianco fanadihadiana ary nahavoarohirohy mpandraharaha akaiky ny filoha sy nahavoatonontonona minisitra ihany koa. Tranga izay mety hampihemotra ny fahazoana famatsiam-bola avy any ivelany na dia mipoapoaka aza ny filazana fa nahazo 10 miliara dolara i Madagasikara.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT