Natolotry ny fikambanan’ny Frankofonia (OIF) ny CENI-T omaly ireo kojakoja na kits de visibilité miisa 1.400 hoenti-miasa miatrika ny fifidianana. 40 000 euros ny totalim-bidin’ity fanomezana ity ary tafiditra indrindra ao anatin’ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena antsika amin’ny fanaovana ny fifidianana.
Nandritra ny lahateniny no nanomezan-dRamatoa atallah Beatrice fanazavana misimisy kokoa momba ireo tarehimarika tsara ho fantatry ny besinimaro. Nambarany fa mahatratra 7 822 836, ankehitriny ny mifidy voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana, izay hikatona tanteraka anio ny fanoratana azy, vehivavy ny 43%-n’ireo. 20.003 no isan’ny biraom-pifidianana eny amin’ireo fokontany 18 270 manerana an’i Madagasikara. Nambaran’ny filohan’ny CENI-T fa 9 000 000 ny bileta tokana natonta, tsy maintsy natao mihoatra ny isan’ny mpifidy mba hiomanana amin’ny tampoka mety mitranga. Nanome toky ihany koa Rtoa Atallah Beatrice fa efa tsara dinika sy tsara rindra ny fikirakirana sy ny fitandroana ny filaminana amin’ny fanangonana ny voka-pifidianana. Misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny CENI-T sy ireo manampahaizana avy amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana sy ny OIF momba izany, hoy hatrany izy. Momba ny fanentanana amin’ny fanentanana ny mpifidy amin’ny fampiasana ilay bileta tokana dia tsy tokony hiahiahy ny rehetra fa ampy tsara ny fotoana ary vitantsika araka ny tokony ho izy io, hoy ny filohan’ny CENI-T. Aorian’ny fanakatonana tanteraka ny fanoratana ny lisi-pifidianana anio alarobia 9 oktobra no hatomboka amin’izay ny fizarana ny karatry ny mpifidy manerana ny nosy, hoy hatrany ny fanazavana voaray avy any amin’ny CENI-T ka ireo toerana lavitra sy saro-dalana no hanombohana ny asa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.