Nifarana omaly tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy ny fampihaonana ireo filohan’ny vaomieran’ny fifidianana manerana ny Distrika 119 eto Madagasikara. Naharitra roa andro ny atrikasa ka nahafahana nifanakalo hevitra sy nampahafantatra ny zava-misy amin’izao fotoana eo amin’ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana.
Nandritra ny fotoam-pamaranana no nilazan’ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice, fa tsy maintsy miomana hiatrika ny fifidianana ny CENI-T sy ny rantamangaikany rehetra manerana an’i Madagasikara. Voadinika nandritra ny roa andro ihany koa ny raharahan-tokantranon’ny CENI-T, ny olana amin’ny fanatanterahana ny asa noho ny tsy fahampian’ny fitaovana satria midadasika ihany ny toerana sahanin’ireo CED.
Misy ny tarehimarika tsara ho fantatra momba ny fifidianana nivoaka nandritra izao atrikasa izao. Fantatra ary fa tamin’ny 6 aogositra lasa teo dia 7 680 935 no isan’ny mpifidy manerana ny Nosy voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Miisa 757 kosa ireo kandida solombavam-bahoaka nanatitra ara-dalana ny antontan-taratasiny teny amin’ny OVEC hatramin’ny 7 aogositra teo. Mbola mitohy anefa ny fandraisana firotsahan-kofidiana. Nambaran’ny filohan’ny CENI-T fa vinavina ihany ny daty navoaka fa tsy maintsy hajaina izay voalazan’ny lalàna, “fetra fara-fahatarany no nomenay fa tsy ‘ultimatum’ tsy akory”, hoy Rtoa Atallah Béatrice. Nanamafy indray, io omaly io Rtoa Atallah Béatrice fa mahaleotena ny CENI-T ary natsangana mba hiasa ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy amin’ny fikarakarana fifidianana tsara karakara. Misy anefa ny tsy azon’ny CENI-T anoharana sy tsy azo ialana, izay voalaza ao amin’ny tondrozotra nametraka azy, dia ny fanjakana Malagasy, ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny mpanao politika Malagasy ary ny fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES.
Na vonona be tokoa aza ny CENI-T hanao fifidianana dia tsy maintsy miandry ny fanapahan-kevitr’ireo vondrona rehetra ireo, hoy i Atallah Béatrice. Ny fanjakana malagasy no miantoka ny vola iasan’ny CENI-T sy miantoka ihany koa ny filaminana sy fandriampahalemana, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Ny sehatra iraisam-pirenena no miantoka ny ampaham-bola be indrindra hanaovana ny fifidianana, ary tena manara-maso akaiky ny fizotry ny fifidianana, mitsara ny maha mety na tsia azy ary manome ny fankatoavana. Ny mpanao politika kosa no mpisehatra ao anatin’ny fifidianana, ary izy ireo no nanasonia ny tondrozotra. Noho izany tompon’andraikitra feno amin’ny zava-drehetra atao eto ary manana ny heviny. Ny CES moa dia manana ny fahefana handray ny dosien’ireo kandida, hamoaka ny lisitra ary hamoaka ny voka-pifidianana ihany koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.