Atallah Béatrice

> Manahy krizy vaovao tena mahery vaika


  • Zoma 30 Aogositra 2013

Nidina tampoka tany amin’ny faritra Anôsy iny ny alarobia teo Rtoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENI-T. Nisy ny fihaonany tamin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana, nanazavany bebe kokoa ireo tsara ho fantatra amin’ny fiatrehana ny fifidianana.

Nisy koa ny fihaonany tamin’ireo mpikamban’ny CENI-T avy any Amboasary Atsimo, Betroka ary Tolagnaro. Nasiany tsindrim-peo fa efa maika ny hiala amin’ny krizy ny Malagasy ka rariny raha tanterahina amin’izay ny fifidianana. Nomeny baiko ireo rantsamangaika avy amin’ireo distrika telo ireo ny tokony hampidirana manontolo ao amin’ny lisi-pifidianana ireo efa feno 18 taona no ho miakatra ka manana kara-panondrom-pirenena. Fa nanaitra ny filazan’ny filohan’ny CENI-T ny mety hisian’ny krizy vaovao tena mahery vaika aorian’ny fifidianana ho avy eo. Ny fihanahan’ny andiam-balala sy ny tsy fisiam-bary mananontanona no tiany ahatongavana. Tsy nihambahamba ny tenany nilaza fa faritany roa anisan’ny tena ao anatin’ny fahantrana i Toliara sy Fianarantsoa. Tsy nisalasala ny tenany nilaza fa ny 92%-n’ny mponina amin’ireo faritany roa ireo dia mahantra avokoa. Mampatahotra io tarehimarika io hoy izy, koa ilaina ny miomana amin’ny ho ampitso.

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT