Politique

Association Cercle de Réflexion Fitovinagny Miantso fampihavanana ara-kolontsaina hivoahana amin’ny krizy


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Ho fanamafisan’ireo mpikambana ao amin’ny Cercle de Réflexion Fitovinagny ny teniny tamin’ny taona 2010 dia nanamafy indray izy ireo nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety fa ny fampihavanana ara-kolontsaina ihany sisa no hany vahaolana tokana hahafahantsika mivoaka amin’izao krizy lavareny mianjady eto amin’ny firenena izao.

 Any Matatana Vohipeno no kasain’izy ireo hanatanterahana azy io. Apetrany amin’ny fahendren’ireo raiamandreny am-panahy toy ny FFKM kosa ny fanapahana ny daty hanatanterahana izany. Diso voahitsakitsaka loatra mantsy, hoy izy ireo ny maha Malagasy ka mila ahetsika ny fomba amam-panao malagasy hanarenana azy ary ankinina amin’Andriamanitra tokana ny fanaovana izany. Ho karazana tady iray mampifandray ny vahoaka io hetsika ara-kolontsaina io raha tanteraka, hoy ny CR7, hohamafisina eny Mahamasina ary hofaranana eny Antsonjombe, araka izay hifanarahana. Tafiditra ao, hoy izy ireo ny fametrahana ny telozoron’ny fahefana malagasy. Manao antso avo amin’ny minisitry ny kolontsaina izy ireo mba hiara-kisalahy hifanome tanana amin’ny  fanatanterahana ny hetsika hahafahana mamoaka an’i Madagasikara ao anatin’izao olana goavana lalovan’ny firenena izao.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT