Nanamafy ny avy eo anivon’ny antoko Asandratro ny tanindrazako, tamin’ny alalan’ny filohany Andrianina Rajoharison, fa fitsarana tsy mahefa no nitsara ny filoha Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny.
Tsy tokony ho tsaraina fitsarana tsotra (première instance), hoy izy ny mpitondra teo aloha, raha ny tokony ho izy. Na ilay didim-pitsarana tamin’izany aza dia azo lazzaina ho tandrametaka ihany satria tsy nanatrika ny fitsarana ilay voakasik’iny raharaha iny. Resaka savorovo politika no niainana tamin’izany. Midika izany fa tsy tokony ho olona iray no tompon’andraikitra nahatonga ny savorovoro. Ao anatin’ny lalàna dia misy ny antsoina hoe fitohizam-pitsarana (continuité de justice), izany hoe raha hanokatra ny raharaha Ravalomanana ny fitondrana ankehitriny dia tokony haverina ho sokafana ihany koa ireo raharaha hafa tany aloha toy ny raharaha 1975, ny 10 aogositra 1991 sy ny resaka Kung fu hatramin’ny ankehitriny, hoy izy.
Ny filoham-pirenena no tokony ho tsaraina voalohany
Raha tsy ampiharina io resaka fitohizam-pitsarana io, hoy ity filoha ity, dia tonga amin’ilay voalazan’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka hoe mivalona ho tantara. Izany hoe rehefa miova ny repoblika dia miverina “0” daholo ny zava-drehetra. Izany no antony mbola nahatonga ny filoha Ratsiraka nilatsaka. Maninona no tsy hatsangana ilay fitsarana manokana (HCJ) satria na ny mpitondra ankehitriny ihany koa aza dia betsaka ny fandikan-dalàna goavana nataony, hoy hatrany Andrianina Rajoharison. Izy no tokony ho tsaraina voalohany. Raha tena manana fikasana tsara (bonne intention) ny fitondrana, hoy izy namarana azy, dia vao tonga teto tamin’ny taona 2013 ny filoha Ravalomanana dia efa nosokafana ny dosie momba azy fa tsy izao efa 10 volana mahery mialohan’ny fifidianana izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.