Nidina ifotony nanao fanadiovana teny Besarety Ragôvan’Analamanga na ny Governora Hery Rasoamaromaka ny talata 8 oktobra lasa teo.
Narantiranty ny fitaovana goavana nentina nanatontosana ny asa, toy ny fisokirana ny lakandrano. Nisy antso tolo-bidy na “appel d’offre” ve ny asa ? Nofaina sa nisy nanome maimaimpoana ny “engins” nampiasaina ? Resahin’ny filoha hatrany ny resaka mangarahara amin’ny fitantanana ny firenena, saingy hafahafa sahady indray ity toe-javatra ity. Raha hofaina ny fitaovana dia ohatrinona ary volan’iza no hanefana azy ? An’ny fiadidian’ny Repoblika sa avy amin’ilay 1 miliara Ariary tantanan-dRagôva ? Raha maimaimpoana dia inona no tambiny ? Maninona no tsy tafiditra ao anatin’io ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ? Sa resaka politika no nitondrana azy ? Tahaka ny resaka fako ihany hoe mipoitra tampoka avy any ny kamio lehibe handraofana ny fako rehefa akaiky ny fifidianana. Tsara ny manadio, fa izao fisehony izao dia mampibaribary indray ny fanaovana tsinontsinona ny vondrombahoakam-paritra hitsinjaram-pahefana. Toa mbola te hampanjaka ny kolontsain'ny kinamanamana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.