Anisan’ny teny filamatra apetraka eo anivon’ny fitantanana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny “Antananarivo Renivohitra, soa iombonan’ny Malagasy”, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, raha nikabary nanoloana ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny CUA tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina izy omaly.
Tokony hanana io toe-tsaina io avokoa izay hitondra hifandimby eo. Mbola mila miasa mafy isika ary hisy ny teknolojia vaovao iaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka alemana manomboka amin’io taona ho avy io, hoy izy. Nanazava tamin’ny ankapobeny ny antony nahatonga ny fiaraha-miasa moa ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna, Marc Ravalomanana, ary anisan’ny fenitra nahatonga ny fiaraha-miasa ny fitombon’ny taham-pampidiran-ketra (taux de pression fiscal) izay raha 15% ny volana martsa sy aprily dia efa maherin’ny 60% izao. Nahazo 15.000 Euros ny CUA tamin’ity taona ity noho ny fahamendrehana teo amin’ny resaka fikajiana tontolo iainana, hoy hatrany ny mpanolotsaina manokana. Ho hitanareo eo fa hitombo ny hafainganam-pandehan’ny asa fanadiovana hampamirapiratra ity renivohitra malalantsika ity amin’io taona vaovao io satria izay no mendrika ny vahoakan’Antananarivo. Toy ny fanaony isan-taona moa dia nizara sakafo ho fiatrehana fety toy ny vary, akoho, kilalao sy vatomamy ho an’ireo mpiara-miasa rehetra aminy ny fitantanana ny CUA. Nahafaly ny rehetra ny fizarana tambiny manokana (prime) ho an’ny mpiasa rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.