Politique

Asa fanaovan-gazety Te hanagadra ny fitondrana HVM


  • Sabotsy 12 Martsa 2016

Roa taona alohan’ny hahatongavan’ny fifidianana filoham-pirenena dia nahitana fitomboany betsaka indray ny fitaovan-tserasera na ny gazety an-tsoratra izany na ny am-bava na ny an-tsary ihany koa.

 

 Hatramin’izao mantsy aloha ny tena tsikaritra dia saika ireo olona manana tanjona politika avokoa ny akamaroan’ny ao ambadik’ireny fitaovan-tserasera ireny. Ao ny miara-dalana amin’ny fitondrana, fa eo ihany koa ireo izay manohitra sy mitsikera.

Ireo roa tonta ireo dia samy fehezin’ilay sata vaovaon’ny fifandraisana izay tsy mety tafavoaka ho lalàna hatramin’izao. Tamin’ny taon-dasa 2015 dia efa maro ny dingana vita teo anivon’ny mpanao gazety, ny minisitera sy ny teny anivon’ny governemanta saingy tsy nety tonga teny amin’ny Antenimieram-pirenena kosa. Raha amin’izao vanim-potoana mampiroborobo fatratra ny tontolon’ny asan-gazety izao, tsy tokony ho izao ve no fotoana tsara indrindra amoahana an’iny sata iny mba hifampifehezana sa mbola misy zavatra tsy ampy indray ao anatin’izy iny ka tsy mety maha tafavoaka azy hiadian-kevitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena ?

Tsy vitsy mantsy ireo nihevitra fa maivana loatra, hono, ny sazy omena ny mpanao gazety manao fahadisoana amin’ny vaovao avoakany ka tokony hatao mafimafy. Sao dia izay ary no antony tsy mahatafavoaka ilay sata raha izany. Maro ny nanantena ny hanao sivana an-kolaka amin’ny asan’ny mpanao gazety noho ny tsy fahatatesana ny fanakianana ataon’ny sasany ka mitady fomba hifehezana ny tontolon’ny serasera indray amin’ny alalan’ny fanovana ny andalana sasany amin’io sata io indray, eny mbola tena hanagadra mihitsy aza …

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT