Politique

Asa fanakorontanana Mampitandrina ny Kung fu


  • Alarobia 07 Desambra 2016

10,4 miliara dolara no famatsiam-bola azon’i Madagasikara taorian’ny fivoriana tany Paris ny 1 sy 2 desambra lasa teo.

Tsy mbola nisy ny tahaka izany hatramin’ny naha tany an’i Madagasikara, hoy ny Maitre Avoko Rakotoarijaona mpitarika ny kung fu Wisa eto Madagasikara. Tokony hialana ny halako bika tsy tiako tarehy ka hamendrofendroana ny Malagasy ho fanaratsiana ny dingana efa vita. Misy ny tsy fitovian-kevitra sy fijery eo amin’ny samy Malagasy saingy heverina kosa fa fotoana tokony hifanomezan-tanana amin’ny fitondram-panjakana izao mba hahalavorary ny tetikasa rehetra ho fanavaozana ny fiaingana vaovao ho an’ny firenena, hoy ny Maitre Avoko. Ny Kung fu manokana dia miezaka hatrany mitondra ny anjara biriky tandrify azy amin’ny fampandrosoana ny firenena ary manamafy ny fiaraha-miasany amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Ny fanomanana ny fifidianana amin’ny 2018 no tokony hatao matotra tsara sy imasoan’ny mpanao politika , hoy hatrany ny fanehoan-kevitry ny Maitre Avoko. Ny vahoaka no avela hitsara ny tena zava-misy marina ka hifidy an’izay olona tiany hitantana ny firenena. Momba ny Kung fu manokana kosa dia fantatra fa hisy ny fivoriamben’ireo Maitres lehibe avy amin’ny lafivalon’ny nosy izay hotanterahana eto Antananarivo ny 10 sy 11 desambra ho avy izao. Ankoatra ny fandinihana ny tontolon’ny kung fu dia anisan’ny horesahana mandritra io fihaonambe io ihany koa ny fanamafisana ny fandraisana andraikitra izay efa nataon’ny kung fu teto amin’ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy eken’izy ireo ny mety tetika ratsy haminganana ny fitondram-panjakana amin’ny endriny rehetra na mivantana na an-kolaka, araka ny fanazavana voaray hatrany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT