Politique

Arseveka Razanakolona sy Andry Rajoelina Nihaona mangingina teny Ivandry


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Omaly maraina dia fantatra fa nihaona mangina teny amin’ny tranon’ny solontenan’ny Papa eny Ivandry ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina sy ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène.

 Araka ny fantatra dia tsy tao an-toerana fa any ivelany ilay masoivoho tompon’ny trano tamin’ity fihaonana ity. Ny sekretera voalohany no tao. Manaraka izay dia nahagaga ihany koa ny nahita ny filohan’ny FAT nidina teny an-toerana mihitsy. Fa naninona no tsy teny amin’ny lapan’Iavoloha no natao ny fihaonana. Voadingana koa teto ny FFKM, fa dia niditra an-tsehatra samirery ny filohan’ny EKAR. Tombanan’ny maro fa mahakasika ny krizy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao no mety ho anton’ny fihaonana.

Mikatso tanteraka rahateo ny raharaha ary samy manakiana ny FAT avokoa ny ankamaroan’ireo vondrona politika. Na ireo vondrona manana minisitra ao anaty governemanta aza dia tahaka izay ihany koa. Latsaka an-katerena ny FAT ka mety nila hevitra tamin'ity filoham-piangonana ity ny tenany. Ny mpitazana aza moa mihevitra fa mety ho anisan’ny vahaolana noresahina tao ny fametraham-pialan’ny filohan'ny FAT, na azo antoka aza fa tsy hanaiky mora izany ity farany. Ho hita eo ny tohiny fa mihazakazaka ny toe-draharaha ankehitriny.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT