Politique

Arnaud Auguste Marius “Kilalaon-jaza ilay aministia”


  • Zoma 30 Martsa 2012

Aministia, raharaha BANI, fifandraisana amin’ny minisitry ny fitsarana, FIS… Manana ny heviny i Arnaud Auguste Marius, filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), izay vahinin’ny Tia Tanindrazana ao anatin’ny SOKELA amin’ity zoma 30 martsa ity, araka izao manaraka izao.

 Tia Tanindrazana (TT) : Mby aiza ny fanatanterahana ny tapakareo teny Ivato farany teo iny ?

Arnaud Auguste Marius (AMM) : Efa misy ny drafitra fampiharana momba azy iny. Amin’ny 06 aprily izao izahay dia hanatontosa fivoriambe hanova ny sata mifehy ny mpitsara sy hankatoavana azy ihany koa ary hifidy ny birao. Amin’ny alatsinainy 02 aprily izao dia misy ny fivoriana iarahana amin’ny komity mpanaramaso hifantoka amin’izy io.

TT : Tsy takona afenina ny disadisa eo aminao sy ny minisitry ny fitsarana, alahelo toerana ve ny anao sa zavatra hafa ?
AMM : Tsy misy resaka an’izany mihitsy ilay izy. Nangina izahay teo satria lany ny fe-potoam-piasana. Araka ny efa nambaranay tamin’ny TV Plus dia izahay mihitsy no hangataka ny fanesorana ny ministra rehefa tsapanay fa mivaona ny zavatra ataony. Na tamin’ny fifidianana izay ho filoha teo ireny anie dia misy ny fitongilanana sy fanohanana kandida nataon’ny minisitra ka nanomezany toromarika momba ny kandida fidiana. Aza adinoina fa fanovana no nisian’ny hetsika teto kanefa rehefa tena atao izay fanovana izay dia tsy mety amin’ny sasany indray. Ny mampalahelo dia misy mihitsy ny fanelezana trakta fanaratsiana ahy izay hita manerana ny varavaran’ny fitsarana izao. Aparitaka amin’izany fa manana trano maro sy hotely misy rihana maro, hono, izaho. Tsy mampatahotra ahy anefa izany ary efa nolazaiko ny mpitsara rehetra mba hanao fanadihadiana raha mitombina ilay izy na tsia.

TT : Ahoana ny fandraisanao izany ary ?
AMM : Hakanosana izany amiko. Marihiko fa izaho dia tsy mbola nangalatra izany.

TT : Miha tsy matoky ny fitsarana ny Vahoaka, hany ka mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka, inona no andraikitrareo mpitsara manoloana izany ?
AMM : Mila ovaina izay tsy mety rehetra. Amin’ny maha olombelona anefa dia tsy misy ny tonga lafatra. Vonona kosa anefa izahay haneho amin’ny vahoaka ny tsy mety. Vonona hanarina ny lesoka izahay saingy tsy mandeha ila izany. Tsy tokony hisy mihitsy ny fijerena tavan’olona satria ny mampalahelo dia tsy tonga ny mpitandro ny filaminana raha nisy ny atrikasa nokarakarain’ny SMM tamin’ireny raharaha tany Toliara ireny.

TT : Niteraka resabe na ny fitsarana na ny didim-pitsarana momba ny raharaha BANI. Nisy "intervention" izany tokoa ve tamin’iny ?
AMM : Efa niteny izahay nandritra ny fikaonan-doha teny Ivato fa hiteny foana raha misy ny tsy mety. Ary tsy hangina mihitsy na misy inona na misy inona raha mbola izany foana no zava-mitranga

TT : Mitaraina ny ankolafy Zafy fa tsy misy tohiny hatramin'izao ny fitoriana napetrak'izy ireo tany amin'ny fampanoavana. Avy aminareo mpitsara sa tsindry avy amin'ny mpitondra no anton’izany ?
AMM : Manahirana io satria ny olona tokony handray an-tanana ny “diligence” dia napetraka mba hiaro ny tombontsoan’ny fitondrana. Raha soloina anefa io tomponandraikitra io dia tsy mbola fantatra koa izay hataony eo. Raha izaho aloha no teo amin’ilay toerana dia tsy misy najanona izany io fitoriana io fa nalefako tsotra izao.

TT : Betsaka ny fitarainana re momba ny FIS, nisy fitoriana mihitsy aza toy ny nahafaty an'i Elysé nosamborina tany Mahajanga ny 16 oktobra 2011, nefa tsy mandeha ny fanadihadiana, inona no anton’izany ?
AMM : Mitovy amin’ilay teo ihany no valin-teniko. Tokony halefa hoy aho ilay izy dia hita eo na mitombina na tsy mitombina. Mety misy resaka be dia be anie ao ambadik’io ao e ! Amiko dia mila ovana olona manana fahasahiana ny mitana io andraikitra io. Na izany na tsy izany dia misy fotoana voafaritry ny lalàna mbola azo anenjehana foana.

TT : Efa nivalona ve ny dosie Rehavana Michel ?
AMM : Nisy ny fifampiresahana tamin’ny minisitry ny filaminana anatiny teny Ivato ka nanome toky ny tenany fa hisambotra ireo olona ambiny mbola voasarangotra tamin’ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel.

TT : Aministia izao no malaza, raha ianao aministia toy inona no hampilamina an'i Madagasikara ?
AMM : Matoa ny fitondrana manao sonia ny tondrozotra dia vonona hanaja azy izay. Ny mampihomehy anefa dia toa mirona mankany amin’ny “selective” ilay izy, izany hoe misy olona efa kendrena tsy hahazo famotsoran-keloka. Terena fotsiny ilay izy amiko raha io no itondrana azy. Mampihomehy koa ny SADC izay miovaova hevitra momba azy foana. Torak’izany koa ny fisian’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, CST sy CT izay olo-meloka kanefa anisan’ny mamolavola ary ny sasany handany azy. Sady mpilalao izany no mpitsara ny baolina. Kilalaon-jaza ilay izy fa tsy misy fahamatorana.

TT : Ny laharampahamehanao amin'izao taom-piasana fanindroany izao ?
AMM : Ny fanatanterahana ny fehin-kevitra teny Ivato. Hanova zavatra be dia be mihitsy iny. Miandry ny fitsanganan’ny birao izahay vao afaka tena mihetsika. Anisan’ny hotakiana ny fahazoana ireo zavatra efa nifanekena tamin’ny minisitry ny vola.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT