Politique

Armando Guebuza, Filoha mozambikanina “Zon’i Marc Ravalomanana ny mody an-tanindrazana tsy misy fepetra, raisina ny fepetra hiarovana azy”


  • Alarobia 22 Aogositra 2012

Armando Guebuza, filoha mozambikana indray izao no filoha mitarika ny vondrona SADC.

 Izy koa no nitarika ny fihaonan’ny SADC tatsy Maputo rehefa voatery tsy maintsy nandao ny fihaonana ny filoha Afrikanina Tatsimo, Jacob Zuma, filoha namita taom-piasana, noho ny fitifiran’ny polisy ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany tao Afrika Atsimo. Araka ny vaovao navoakan’ny Pretoria News dia nanambara ity filoha mozambikanina ity fa tsy maintsy ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny sori-dalana no lalana hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy. Nambarany ihany koa fa zon’i Marc Ravalomananana feno ny mody an-tanindrazana sy ny fandraisany anjara amin’ny fiainam-pirenena.

Tsy misy fepetra io fodiany io. Araka ny vaovao navoakan’ny Pretoria News ihany dia niantso ny SADC ny tenany mba handray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany ho fitandroana ny filaminana eto Madagasikara sy ny ain’ny filoha Marc Ravalomanana. Teboka 4 tamin’ireo 9 tao anatin’ilay fehin-kevitry ny fivoriana faha-32-n’ny SADC moa no novoizina. Tsy dia fantatra loatra kosa ireo 5 hafa. Heverina fa misy ifandraisany amin’ny fodiana sy ny ho filatsahan-kofidian’ny filoha teo aloha ireo andininy tsy dia noresahina ireo. Eo koa ny fampiantsoana ireo be galona tany an-toerana. Tsy ny filoha mozambikanina ihany, raha ny hita sy re hatreto no tsy mahita olana amin’ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana fa eo koa ny filoha Seychellois James Michel. Samy niantso ny handraisana fepetra ho amin’izany izy ireo. Fanontaniana tsy mety ahitana valiny mitombina moa ny olan’ny FAT sy ny mpanara-dia azy, indrindra fa ireo be galona amin’ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT