Politique

Arlette Ramaroson “Tsy manana porofo hitazonana ireo nosy Eparsa i Frantsa”


  • Zoma 22 Novambra 2019

Rehefa nohalalinina sy nodinihina ary nofakafakaina dia voaporofo fa tsy manana porofo hitazonana ireo nosy Eparsa ireo ny firenena Frantsay, hoy i Arlette Ramaroson, mpahay lalàna iraisam-pirenena, ka tokony hanararaotra hitaky ny hamerenana izany isika malagasy.

 

 

Nambarany fa na nisy aza ny dinika nifanaovan’ireo delegasiona roa tonta (Malagasy sy Frantsay), dia hita taratra fa tsy nisy loatra ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny dinika natao. Manaporofo izany ny nilazan’ny profesora Raymond Ranjeva, anisan’ny delegasiona malagasy nanatrika ny dinika, fa tsy nahafa-po azy ny nanaovana iny fifampiresahana iny. Nambaran’ity mpahay lalàna iraisam-pirenena ity kosa fa hanambara ary hilaza ny vahoaka malagasy manerana ny nosy izy sy ireo mpiara-dia aminy ny amin’ny fisian’ity nosy Eparsa an’ny Malagasy ity.  Hihetsika ny rehetra ary hanambatra ny hery aorian’izay, ka ho hita eo ny porofo, fa ny 99% - n’ireo nosy ireo dia an’ny Malagasy tanteraka, hoy hatrany izy ary efa nanamafy izany rahateo ny firenena mikambana.

Sitraka r.       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT